Fanatajahantena

Ligue des champions d’Europe : Raraka ny Real Madrid sy ny Bayern

Nitranga ny tsy nampoizina ary diso avokoa ny kajikajin’ireo mpanara-baovao amin’ny “Ligue des champions d’Euro­pe”, taranja baolina kitra. Ni­hintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana mantsy ireo klioba lehibe heverina ho ma­nana herijika handrombaka ny amboara dia ny Real Madrid sy ny Bayern de Munich. Ny alarobia lasa teo, nandritra ny lalao […]

Ady totohondry : Nankatoavin’ny CIO ny Federasionina malagasy

Efa manana taratasy fahazoan-dalana amin’izao fotoana izao ny Federasionina malagasin’ny ady totohondry, araka ny nambaran’ny filohan’ity Federasionina ity, Rabarison Hery Mamy. Ny eo anivon’ny CIO (Comité international Olympique) no nanome alalana ny World Boxing ka nahazoana ny fankatoavana. Etsy ankilan’izay, mangataka ny fanjakana malagasy ihany koa ny eo anivon’ny Federasionina […]

Taranja tolona- “Africa 2025”: Mbola ankamatatra ny fandehanan’ ireo atleta

Hotanterahina any Casablanca Maroc, ny 29 hatramin’ny 4 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Africa, taranja tolona. Tsy voafaritra ny daty handehanan’ireo Malagasy handray anjara. Nilaza ny filohan’ny Fe­derasionina malagasin’ny taranja tolona (FML), Raveloson Mamitiana, omaly, fa mbola ankamatatra ny fandehanan’ireo atleta malagasy any Casablanca Maroc. Tsiahivina […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 20 sy ny alatsinainy 21 avrily izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy U18, lahy sy vavy. Handray anjara amin’izany i Mada­­gasikara, Mayotte, La Réunion ary i Maurice. Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy […]

Jiu-jitsu breziliana : Ho avy eto Madagasikara i Eric Noel

Ho fanatsarana hatrany ny teknika ho an’ny taranja Jiu-jitsu breziliana eto Mada­gasikara, hisy indray ny vahiny manampahaizana ho avy eto hanatanteraka seminera. Tsy iza izany fa i Eric Noel, izy izay namorona ny Komaru Jiu-jitsu, teratany kanadia­nina. Ny 16 mey izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, no hanaovana izany. Hiarahan’i […]