Fanatajahantena

(FMF) : hatao anio ny famindram-pahefan’ny filoha

Araka ny fampitam-baovao, hotanterahina anio alakamisy 19 oktobra, etsy amin’ny efitrano malalaky ny kianja Barea Mahamasina, ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, sy ny teo aloha, Andrianiony Victorien. Araka ny lalàna, tsy main­tsy niandry 2 andro taorian’ny fahavitan’ny fifidianana, ny vaomiera manokana misahana […]

«Basikety N1A» : hifanandrina voalohany ny Ascut sy ny As Fanalamanga

Hanomboka anio alakamisy 19 oktobra, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara N1A lahy sy vavy. Hisantatra ny fifaninanana ny Ascut sy ny AS Fanalamanga, eo amin’ny sokajy lehilahy. Ekipa mendrika indrindra, nandritra ny dingana voalohany, miisa 8, ny hiady ny amboara, eo amin’ ny sokajy […]

Atletisma : hahemotra ny fivoriamben’ny Federasiona

Noho ny zava-misy eto an-drenivohitra, nanapa-kevitra ny mpitantana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), fa hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voatondro ny fivoriambe ara-potoana (AGO). Raha ny voatondro mantsy, ny sabotsy ho avy izao, no hanatontosana izany eto Antananarivo saingy izao, nofoanana izao. Tsiahivina fa io no hanaovan’ny federasiona ny tatitra […]

Taekwondo WT : tsy misy daty mazava ny fifidianana

Nandefa taratasy ho an’ireo seksiona sy ligim-paritra re­hetra, ny 2 oktobra lasa teo, ny filohan’ny federasiona ma­lagasin’ny taekwondo WT. Fampahafantarana ny fotoana ha­natontosana ny fifidianana amin’ireo rafitra isan-tokony amin’ ny fitantanana ity haiady ity no votoatin’izany. Mame­traka fa­nontaniana sy fisalasalana ho an’ireo voakasika izany satria tsy misy daty mazava mamaritra […]