Vonona ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny « Passion Pétanque Française » (PPF 2025). Nanainga herinandro mialoha ny fanombohan’ny fifaninanana ry zalahy, ho fanomanantena amin’izany. Nihazo an’i Frantsa, omaly, ny ekipa malagasin’ny tsipy kanetibe, hiatrika ny « Passion Pétanque Française » (PPF 2025). Fifaninanana tanterahina any Aix en Provence, ao […]
Fanatajahantena
Sekolin’ny rugby : Hatao anaty rafitra ara-dalàna
Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Malagasy Rugby ny fampiroboroboana ny baolina lavalava eny ifotony. Araka izany, nanao fanambarana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ity rafitra voalohany miahy ny rugby eto Madagasikara ity. Manomboka izao, hatao anaty rafitra ara-dalàna ireo fikambanana rehetra na sekoly mampianatra sy mitaiza ankizy amin’ny baolina […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny andro fahadimy ny sabotsy 8 sy alahady 9 febroary izao ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja volley-ball. Ny sokajy Jeunes ihany no hanohy ny fifaninanana amin’io faran’ny herinandro io. Nofoanana kosa ny an’ny sokajy 1D sy 2D noho ny fisian’ny « match de défi » karakarain’ny federasiona. Mitohy amin’ity faran’ny […]
Corentin Martins : Lasa nitily ireo Malagasy mpilalao any ivelany
Herinandro androany no nahavoatendry an’i Corentin Da Silva Martins ho mpanazatra ny Barea de Madagascar. Taorian’izay, nijanona andro vitsy teto an-toerana izy ary nijery ireo fihaonana samihafa teny amin’ny Kianja Elgeco Plus, ny sabotsy lasa teo. Nitodi-doha any Frantsa ny lehilahy, omaly, ary hijery sy handresy lahatra ireo Malagasy mpilalao, […]
RNS 2025: Efa nisokatra ny fisoratana anarana
Efa nanomboka ny 3 febroary lasa teo ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena tanterahina mandritra ny « Rencontre nationale sportive » (RNS), taona 2025. Fifaninanana any Vichy, ny 19 hatramin’ny 21 avrily ho avy izao. Tsiahivina fa handray ny faha-50 taonany amin’ity taona ity ny RNS ka hiavaka sy hihatsara ny fifaninanana. […]




