Fanatajahantena

Angovo azo havaozina: herinaratra 50 Mw vaovao isaky ny distrika 46

Manohana an’i Madagasikara amin’ny famatsiana herinaratra ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hisitrahan’ny 70% amin’ny tokantrano malagasy izany hatramin’ny taona 2030. Mitentina 400 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena hananganana foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro eto Mada­gasikara. Miisa 46 ny foibe hatsangana any amin’ny distrika 46, samy hamokatra 50 Mw […]

Rugby « Lalao Olympika 2024 »: laharana fahadimy i Madagasikara

Nifarana omaly ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao Olympika 2024”, taranja Rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy, izay natao tany Tunisie. Nipetraka teo amin’ny laharana fahadimy i Madagasikara, rehefa nandavo ny mpilalaon’i Tuni­sie, mpampiatrano tamin’ny isa 25 no ho 5. Marihina fa nahazo fandresena telo tamin’ireo lalao dimy natao ny […]

Fiba 3×3 World Tour Shanghai: laharana fahatelo i Madagasikara

Tsara ny vokatra ho an’ny ekipa solontena malagasy “Anta­­nanarivo”, nandritra ny fifaninanana “Fiba 3×3 World Tour”, natao tany Shanghai, ny faran’ny herinandro teo. Dinga­na lehibe no vitan’i Elly, i Arnol, i Ricky ary i Livio, nanoloana ireo ekipa goavana sy kalaza maneran-tany. Laha­rana fahatelo no misy an’i Ma­dagasikara, taorian’ny lalao […]

Baolina kitra: lany ho filohan’ny FMF Andriamanampisoa Alfred

Hitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), mandritra ny taom-piasana manaraka, Andriama­nam­pisoa Alfred. Ligim-paritra 14 na­nome fitokisana azy hitondra izany mandritra ny efa-taona. Tontosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ny sabotsy 14 oktobra lasa teo, ny fivoriambe nifidianana izay ho mpitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ho an’ny […]

ITF World Tennis Tour Junior : nahazo medaly volamena roa ny Malagasy

Nifarana omaly zoma, teny amin’ny kianja COT Ilafy, ny dingana faharoan’ny fifaninanana “ITF World Tennis Tour”, sokajy “junior” lahy sy vavy. Nahazo fandresena roa ta­min’ireo famaranana efatra niadiana ny Malagasy. Ani­san’izany ny teo amin’ny sokajy lehilahy olon-tokana. Adin’ny samy Malagasy ny famaranana. Voahosotra ho tompondaka Andriantefihasi­na Mirija, nandresy an-dRa­kotomalala Mahefa […]