Fanatajahantena

Kitra – D2 Nasionaly : hanomboka anio ny “Poule des As”

Hotanterahina manomboka anio, ao amin’ny kianjan’i Bari­ka­dimy Toamasina, ny andro voalohany amin’ny fifaninanana « Poule des As » D2 Na­sionaly, taranja baolina kitra. Lalao roa no handeha any an-toerana. Hifanandrina voalohany amin’izany ny FC Inate Vakinankaratra sy ny KFCA Diana. Ny fihaonan’ny FC JM Androy sy ny 3FB Alaotra Mangoro ny faharoa. […]

Tenisy – “ITF World tour junior”: tafita amin’ny manasa-dalana i Mirija sy i Tefy

Manohy ny lalany i Mirija sy i Tefy, eo amin’ny fiadiana ny “ITF World tour Junior”, taranja tenisy. Tafita amin’ny dingana manasa-dalana eo amin’ny olon-tokana lehilahy, izy rehefa nandresy ilay Indianina, tamin’ny seta 2 no ho 0. Nitohy omaly talata, teny amin’ny kianja COT Ila­fy, ny fifaninanana hiadiana ny “ITF […]

Rabibisoa Jerry Pepin : milalao ao amin’ny klioba BCM ao Frantsa

Ny alahady alina teo no nanainga teto an-tanindrazana hihazo an’i Frantsa, Rabibisoa Jerry Pepin, Malagasy mpilalao basikety, klioban’ny Cospn. Efa nigadona ao Frantsa izy ary efa tongasoa ao amin’ny klioban’ny BCM, ao Gravelines. Tsiahivina fa ny volana aogositra lasa teo no efa fantatra fa nahazo fifanarahana tamin’ity klioba goavana ity […]

Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara : nanao pao-droa ny C2BA Vakinankaratra

Niavaka ny zava-bitan’ny ekipa C2BA Vakinankaratra nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Lasany avokoa ny fandresena teo amin’ny “senior” lahy sy vavy. Tontosa soa aman-tsara, te­ny amin’ny kianja PAC Ampitatafika, ny zoma 29 septambra ka hatramin’ny alahady 1 oktobra lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­ga­si­ka­ra, tsipy […]