Tsy tontosa hatramin’ny farany ny manasa-dalana faharoa, niadina ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Energy Top 20”, taranja rugby. Fihaonana nikatrohan’ny Cosfa sy ny ekipan’ny 3FB. Niato teo amin’ny minitra faha-52 ny lalaon’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny 3FB (Fahasalamana), nandritra ny ankatoky ny famaranana faharoa, niadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby. […]
Fanatajahantena
Baolina kitra : hifanandrina i Bénin sy i Madagasikara
Araka ny fikarohana natao omaly, ny volana oktobra ho avy izao no mety hiakatra kianja ny Barea de Madagasikara, ekipam-pirenena Baolina kitra. Raha ny nambaran’i Gernot Rohr, alemà mpanazatran’i Bénin, azo heverina ny hisian’ny lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinan’i Bénin sy i Madagasikara amin’io fotoana io. Filazana nampitany tao amin’ny televiziona […]
Miarinarivo Itasy : nahazo kianja ho an’ny taranja iraisana
Nisokatra ofisialy, ny alakamisy teo, ny kianja “multisport” ao Miarinarivon’Itasy. Kianja manara-penitra ho an’ny taranja iraisana: basikety, volley ary handball. Tetikasa natao indrindra ho an’ny tanora mpanao fanatanjahantena ity ary tanjona ny hampiroborobo ireo taranja ireo ao amin’ny faritr’Itasy. Ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny tanàna vaovao no nitokana ireo kianja ireo, […]
Rugby – XXL Energy Top 20: ho fantatra rahampitso izay hiatrika ny famaranana
Fihaonana goavana miandry ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny rugby, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara XXL Energy Top 20. Hiady izany ireo ekipa 4 sangany, ny Uscar sy ny FTM ankilany ary ny Cosfa sy 3FB andaniny. Lalao hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny ankatoky ny famaranana hiadiana […]
Mahatafita ny baolina kitra : maherin’ny 100 ireo nitsapa fahaizana
Notanterahina nanomboka omaly 28 septambra 2023, tao amin’ny kianja Maitre Kira Toliara, ny tetikasa “Baolina kitra mahatafita”. Nahatratra 100 mahery ireo tanora tonga namaly ny antso tamin’ity hetsika ity. Marihina fa natao hitiliana mpilalao handeha ho any ivelany ny tanjona ho an’ny mpikarakara. Ilay vahiny mpazanatra, Wissem Mareef sy ireo […]