Fanatajahantena

TARANJA Atletisma : mety hihemotra ny “Mada jeunes” sy ny «Marathon»

Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, fifaninanam-pirenena eo amin’ny sokajy zandriny “Mada jeunes” sy ny “Marathon” sisa ny fandaharam-potoana tsy tontosa ho an’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), ary mamarana ny taom-pilalaovana 2023. Noho ny fahateren’ny fotoana sy ny ho fisian’ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Mada­gasikara, mety tsy hisy izany […]

Basikety-N1A : hatao ny 19 hatramin’ ny 29 oktobra

Fandaharam-potoana mamaramparana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny taranja basikety, ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy. Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 19 hatramin’ny 29 oktobra izany. Ho an’ny sokajy lehilahy, fifaninanana ho an’ireo ekipa 8 mendrika indrindra na ny “Top 8” sy ny famaranana no hatao amin’io fotoana io. […]

Kitra – « D2 National » : fandresena iray dia tafita ny JSA Ihorombe

Notanterahina omaly, tany Mahajanga sy Antsirabe, ny andro fahatelo, fifaninanam-pirenena « D2 National », ta­ranja baolina kitra eto Madagasikara. Maka fandresena iray sisa, tafita amin’ny dingana manaraka ny JSA Ihorombe. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, izy ireo sy ny AS Jet Bongolava. Manana isa fito ity klioban’Ihorombe izay mifaninana any […]