Navoakan’ny gazety maorisianina, ny faran’ny taona 2024, fa nahazo sazy henjana ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena maorisianina, mpibata fonjamby, Ranaivosoa Roilya. Nosazin’ny Federasiona iraisam-pirenena, tsy mahazo mandray anjara amin’ny fifaninanana ao Maurice sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2026 ny tovovavy. Nihatra nanomboka ny 24 mey 2023 izany. Anton’izao sazy […]
Fanatajahantena
Taranja badminton – taom-pilalaovana 2024: hamaranana ny fifaninanam-pirenena
Hotontosaina manomboka anio, hatramin’ny rahampitso alahady, eny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton, sokajy senior, lahy sy vavy. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tamin’ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny badminton (FMB), natao hamaranana ny taom-pilalaovana 2024 lasa teo izany. Mahatratra 87 eo ireo […]
Fanomanana ny “Chan 2025”: hosedraina amin’i Matsiatra Ambony ny Barea
Ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ny Barea de Madagascar. Araka izany, hosedraina amin’ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony ry zalahy, amin’ity faran’ny herinandro ity. Any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara no nisafidy hanazatra tena ny Barea de Madagascar, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiatrika lalao tsapa […]
Manitriniaina Steve Princy: “Maro karazana ireo kiraro filalaovana baolina kitra ankehitriny”
Tsy mitsahatra ny mivoatra ny taranja baolina kitra, amin’izao fotoana izao. Manana ny fitaovana mampiavaka azy anefa ny sehatra tsirairay amin’izany. Anisan’izany ny kiraro na “godasse”. Maro amin’ireo mpankafy sy mpilalao baolina kitra, eto an-toerana, no mbola tsy mahafantatra ireo karazana kiraro “godasse”, amin’izao fotoana izao. Manazava ny resaka mahakasika […]
Rugby XXL Top 12 « Vonona ny hanala vela ny TFMA », hoy ny Coach Loda
Hitohy ny 16 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana hahafantarana izay hanao ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, XXL Top 12, taranja Rugby. Anisan’ireo klioba hiatrika izany, ny TFMA Ankasina, ny Tam Anosibe sy ny Uscar, ary ny TFA Anatihazo. « Vonona tanteraka ny […]




