Fanatajahantena

Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: Tsy nahatohitra an’i Italie i Madagasikara

Fandresena telo sy faharesena iray no azon’i Madaga­sikara teo amin’ny fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2024 », taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana tanterahina any Dijon Frantsa. Omaly, resin’i Italie tamin’ny isa mazava 13 no ho 4, ny ekipam-pirenena malagasy. Ny Malagasy anefa no nitarika isa voalohany, 3 no […]

Baolina kitra : Mitongilahila ny fifaninanam-pirenena

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Iavoloha sy Mahajanga ny tohin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pu­replay Football League (PFL)”. Mitongilahila ny fifaninanam-pirenena amin’izao fotoana izao. Fantatra, omaly, mantsy fa tsy hiatrika ity fifaninanam-pirenena ity ny Zanakala FC raha tsy miverina toy ny teo aloha […]

Lomano-“Afrika Zone IV”: nahazo medaly volamena i Glorio Precious

Tsara fanombohana ny solontena malagasy miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone IV, taranja lomano, atao any Namibie. Medaly volamena iray sy alimo iray no azon’ny Malagasy mpilomano hatreto. Niditra an-tsehatra ny alarobia lasa teo ny Ma­lagasy mpilomano ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i “Afrika Zone IV”, taranja lomano, tanterahina any […]

Judo – “Female Training” : Hizara traikefa i Laura sy i Roumaica

Hanatanteraka fifampizarana sy fanazaran-tena ho an’ny judokas malagasy, vehivavy, Rasoanaivo Razafy Laura, Malagasy mpikatroka sangany eto Madagasikara sy manerana an’i Afrika. Ny alatsinainy 23 desambra izao, eny amin’ny Dojo Playbox Analamahitsy, no hanaovana ity fanazaran-tena mitondra ny anarana hoe “Female training” ity. Hampiavaka io fotoana io ny fampandraisana anjara an’i […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanainga ny faran’ity herinandro ity, hihazo an’i La Réunion, ny atleta malagasy hiatrika ny fifaninanana « Saint Paul Fight Night », taranja Kick boxing. Malagasy mpikatroka 7 mianadahy (5 lahy sy 2 vavy) no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany, izay tarihin’ny Lion Force. Efa nanoman-tena mafy izy ireo. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, […]