Fanatajahantena

ASIEF : Tsy mihemotra ny fifaninanam-pirenena

Niravona ny savorovoro niteraka tsy fifankahazoana teo amin’ireo mpiasam-panjakana mpanao fanatanjahantena, ny amin’ny fifidianana filohan’ny Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonc­tion­naires). Tapaky ny rehetra fa notazomina ny daty hanatontosana ny fifaninanam-pirenena, hotanterahina any Ma­nakara ny 17 – 29 aogositra ho avy izao. Ankoatra izay, haverina ny fifidianana izay […]

Delta United Madagascar: Mifantina sy mitily ankizy mahay baolina

Miara-miasa amin’ny “agents recruteurs” any andafy ny Delta United Madagascar, taranja baolina kitra. Ankehitriny, manao fifantenana sy mitily ankizy mahay baolina izy ireo, halefa ho anaty ivontoeram-piofanana sy klioba any Eoropa. Nanomboka ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Esca Antanime­na ny fitiliana sy fifantenana ataon’ny ivontoeram-piofanana Delta United Madagascar, […]

Karaman’ny Coach Rôro: « Efa voaloa avokoa ny anjaran’ny FMF »

Namaly an-dRakotondrabe Romuald (Coach Rôro), mpanazatra ny Barea, ny amin’ny tsy mbola nandoavana ny karamany ny federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nitondra fanazavana mahakasika izany, tamin’ny mpanao gazety, teny Carion, omaly, Ratovohery Solo, filohan’ny vaomieran’ny fifaninanana sady komity mpanatanteraka. “Efa nanao fanamarinana ny federasionina fa efa voaloa avokoa ny anjarany, […]

DAKA AN-JORONY Dia mitaky hoe : Omeo, omeo

Rehefa tezitra amin’ny tomanin-janany ny reny na ny tabataban’ny mpianatra ny mpampianatra dia heno hatrany ny hoe : Mangina fa mankarenin-tsofina. Tato ho ato, tsy vitan’ny mankarenina fa mankadilo ny besinimaro ny resa-bola ao anatin’ny ekipam-pirenena. Nitaky azy ny mpila­laon’ny Makis Ladies. Nahamenatra fa hitan’izao tontolo izao, nidongy teo afovoan’ny […]