Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianja Stadium Sydney Australie, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Voahosotra ho tompondaka ny Furia Roja, Espagne, rehefa nandresy ny Three Lions, Angleterre, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0. Baolina tafiditr’i Olga Carmona, kapiteniny, teo amin’ny minitra faha-29. Voalohany […]
Fanatajahantena
Rugby à VII lehilahy – Fifanintsanana (JO 2024): hidona voalohany amin’i Madagasikara i Tunisie
Hotanterahina ny 16 septambra ho avy izao, ao amin’ny kianja Harare Sport Club, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Handray anjara amin’izany ny Makis de Madagascar. Raha ny fandaharam-potoana, hifanandrina voalohany amin-dry zalahy, i Tunisie. Ny elefantan’i Côte d’Ivoire ny lalao faharoa […]
DAKA AN-JORONY: misy tsy matoky tena
J-5 mialoha ny hanombohan’ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy 2023, anio. Efa tonga eto Madagasikara ny afo manambara ny fisian’ny fihaonana iraisan’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mitety ireo faritra samihafa ny afon’ny lalao ary andrasana eto an-drenivohitra, toerana hanatontosana ny fifaninanana amin’ny alakamisy ho avy izao, raha tsy misy […]
« Coupe Confédération CAF »: resin’ny Elgeco Plus teo an-kianjany ny Gaborone United
Nahazo fahombiazana tany an-tanin’olona ny solontenan’i Madagasikara, Elgeco Plus tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika isan-tarika ity. Resin’izy ireo 1 no ho 0 i Gaborone Botswana. Ny tongotra ila no efa any amin’ny dingana manaraka ho an’ny ekipan’ny Elgeco Plus de Madagascar. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny […]
Lalaon’ny Nosy : « Efa ao anatin’ny fanomanana ny tenako », hoy i Mbola
Hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao, ny lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11. “Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny tenako, ary hiezaka ny haka medaly volamena ho an’ny Malagasy rehetra aho”, hoy Rakotoniaina Aimé Mbolalalaina Joël, Malagasy mpikatroka amin’ny taranja tolona. Marihina fa i Mbola, […]