Fanatajahantena

« Coupe du Président » : norombahan’Antananarivo ny amboara

Tonga nanohana ny ekipa avy any amin’ny faritany misy azy avy ny mpijery baolina tetsy Mahamasina, omaly. Notoloran’ny filoha omby avy ireo faritany enina nandray anjara. Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, “Coupe du Président 2023”, taranja baolina kitra. Azon’ny ekipan’Antananarivo ny lelavola 20 […]

Paositra malagasy : hanohana ireo atleta hanao ny JIOI

Ministerana mpiahy ny taranja atletisma amin’ity lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina andiany faha-11 ity ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Rantsa-mangaika ao anatin’ity MNDPT ny Paositra Malagasy. Nitondra ny anjara birikiny ho fanohana ireo atleta manodidina ny 80 isa […]

Kitra – Amboaran’ny Filoha: hiatrika ny famaranana Antananarivo sy Toamasina

Hangotraka ny lalao famaranana, hiadiana ny amboaran’ny Filoha. Fihaonana, hatao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, rahampi­tso alahady. Hamarana izany Antananarivo sy Toamasina. Ekipa efa diso mifankahalala tsara satria iray vondrona tany amin’ny fifanintsanana. Nisa­raka ady sahala 1 sy 1, tamin’izany. Tsontsorimamba isarahana izany ity famaranana ity. Samy manana mpilalao kalaza sy havanana avokoa ny an-daniny […]

« Mondial » vehivavy2023 : hiady ny amboarabe i Angleterre sy i Espagne

Hotanterahina rahampitso 20 aogositra ny lalao famaranana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, vehivavy. Hiady ny amboara volamena amin’izany i Angleterre sy i Espagne. Fihaonana hatao ao amin’ny kianjan’ny Accor Australie. Araka ny fikarohana natao, hanomboka amin’ny 1 ora atoandro, ora aty amintsika, ny lalaon’ny roa tonta. […]

Kitra – Amboaran’ny kaonfederasiona (CAF) : vonona handresy ny Gaborone FC ny Elgeco Plus

Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, taranja baolina kitra. Fihaonana, hifandonan’ny Elgeco Plus sy ny Gaborone FC, eo amin’ny lalao savaranonando mandroso. Hotanterahina anio sabotsy, manomboka amin’ny 5 ora hariva (ora Malagasy) ao amin’ny kianja Gaborone National Stadium, ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny kaonfedera­siona (CAF), […]