Fanatajahantena

Filoha Rajoelina: « Tsy maintsy voalohany isika amin’ny lalaon’ny Nosy »

Notokanana omaly, teny By pass, ny asa fanitarana nataon’ny filoha tale jeneralin’ny Elgeco Plus, Andriamanampisoa Alfred. Tonga nanokatra ny lanonana tamin’izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina. “Tanjona ho antsika ny hoe tsy maintsy voalohany i Madagasika­ra, amin’ity lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, ity.” hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, […]

Baolina kitra – JIOI 2023 : “Ekipa “ Favoris” ny Barea de Madagascar”, hoy i Fenosoa

Araka ny efa fantatra, omaly, i Seychelles sy i Maurice no miray vondrona “A” amintsika, amin’ity lalaon’ny Nosy 2023, izay hatao eto an-toerana ny 25 aogositra-3 septambra ho avy izao. “Azo antoka ny hi­voahan’ny Barea amin’ity vondrona ity. Isika no ekipa “favoris” ary tokony hifantoka amin’ izay ho mpifanandrina amin­tsika […]

Lalaon’ny Nosy 2023 : vita ny antsapaka, raikitra ny fifaninanana

Vita omaly, tetsy amin’ny trano foiben’ny COJI (Comite d’Organisation des Jeux des Iles) Mahamasina, ny antsa­paka ho fizaram-bondrona ho an’ireo taranja iraisana, hifaninanana mandritra ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Raikitra ny fifaninanana! Taranja iraisana enina no nanaovana ny antsa­paka, nahitana ny basikety 3 x 3 sy ny 5 x 5, […]

Kitra fanomanana : hifampitsapa ny Barea sy ny Elgeco Plus

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja Elgeco stadium By-Pass, ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elgeco Plus. Fihaonana, tafiditra amin’ny fanomanantenan’ny roa tonta amin’ireo lalao iraisam-pirenena hatrehiny atsy ho atsy. Raha tsiahivina, lalaon’ny Nosy ho an’ny Barea de Madagascar ary fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona ho an’ny ekipa tompon’ny amboara aty […]