Efa nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy Mahamasina, omaly, fa ilay frantsay, Corentin Da Silva Martins no mpanazatran’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsy voaresaka tao ny karamany. “Hiezaka ny tenako mba hampiakatra ny baolina kitra malagasy, ary ny hanaovan’ny Barea de Madagascar Mondial amin’ny 2026”, hoy ilay frantsay mpanazatra vaovaon’ny Barea, […]
Fanatajahantena
Tenisy – Afrique U18 : Resy teo amin’ny fihodinana voalohany i Mirija
Ratsy ny vokatra ho an’Andriantefihasina Mirija, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U18 taranja tenisy. Fihaonana, notanterahina tany Le Caire Egypte, ny 27 janoary lasa teo. Vao teo am-piandohana dia efa resy ity hany solontena malagasy ity. Samy tsy tafavoaka ny fihodinana voalohany ny tovolahy na ho an’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, ny fifaninanana « Fety de Baskety e !”, karakarain’ny AT2B (Andraisoro Tia Basket ball), ho fankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny kliobany. Eny amin’ny kianja Andraisoro ihany no hanaovana ny lalao, amin’ny faran’ity herinandro ity. Hitohy any Bongolava indray ny fanazaran-tena sy fiofanana ho an’ireo Maitres, izay tarihan’ny Grand […]
Volley : Hatao any Maorisy ny CCCZone 7
Fantatra, ny toerana sy daty ofisialy hanatanterahina ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, aty amin’ny faritra faha-7, taranja Volley ball. Araka izany, i Maorisy indray no handray ny fifaninanana, amin’ity andiany faha-29 ity. Firenena 6 no handray anjara, hahitana an’i Comores, La Réunion, Maurice, Madagasikara, Mayotte ary Seychelles. Araka ny […]
Judo-Grand Slam : Solontena malagasy i Laura sy i Lova
Hatao any Paris, ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo, taona 2025. Toy ny isan-taona, manana solontena i Madagasikara. Rasoanaivo Razafy Laura (-57kg) sy Randrianasolo Lova Mahaisoa (-81kg) no hisolo tena ny Malagasy amin’ny “Grand Slam de Paris 2025”. Fandraisana anjara faharoa […]





