Rehefa nahazo mari-pahaizana sy nandrato fianarana tany ivelany, i Faneva Ima, Malagasy mpilalao baolina kitra, nanambara ny tenany, ny afakomaly, teo fa vonona amin’izay izy ny hitondra sy hitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa i Faneva Ima no nitondra avo ny Barea nandritra ny Can 2019 tany […]
Fanatajahantena
Mpanazatran’ny Barea : Ho fantatra amin’ny alakamisy ho avy izao
Araka ny vaovao voaray avy eny anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, hampafantarina ny alakamisy ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Marihina fa efa milamina avokoa ny fifanarahana rehetra ary efa omaly ihany ilay teknisianina vaovao ity, no […]
Basikety 3 x 3: Elly sy i Rondro N°1 malagasy
Navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fiba), tao amin’ny tranonkalam-pifandraisany, omaly, fa laharana voalohany amin’ny mpilalao basikety lalaovina olona 3 x 3 eto Madagasikara, Randriamampionona Elly sy Raherimanana Rondro Emeranchine (Chine). Samy mpilalaon’ny GNBC avokoa izy mianadahy ireo ary mandrafitra ny Ankoay de Madagascar. Lojika izany raha ny tarehimarika sy ny zava-bitan’ireto mpilalao […]
Karate 1 Serie A : Manana solontena roa ho any Chypre i Madagasikara
Hotanterahina any Chypre, ny 14 hatramin’ny 16 febroary izao, ny fifaninanana Karate 1, Serie A. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena roa vavy. I Ornella sy i Tsiky Mialy no hihazo an’i Larnaka, Chypre, hiatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Ity no fifaninanana iraisam-pirenena faharoa ho an’ny […]
Ligin’ny atletisma Ihorombe : Tanjona ny handrombaka ny laharana voalohany
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Fahaleovantena Ihosy ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny ligin’ny atletisma Ihosy. Nambaran-dRavelomanantsoa Brillant Fabrice, filohan’ny ligy, fa tanjona ny handrombaka ny laharana voalohany amin’ireo fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara isan-tokony. Anisan’izany ny fifaninanam-pirenena amin’ny “Cross country”, hatao any an-toerana ny […]





