Fanatajahantena

Fifanintsanana Can 2024: nahemotra noho ny olana ara-bola ny fampivondronana ny Barea

Tsy raikitra ny fampivondronana ny Barean’i Madagasikara, saika hataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Misedra olana ara-bola sy tapakila amin’ny seranam-piaramanidina, ahafahan’ireo mpilalao avy any ivelany mihazo an’i Madagasikara ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF). Tsy tontosa ny fikasana hampivondrona ireo mpilalaon’ny Barea nataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Araka ny vaovao […]

Semi-marathon Telma – «Mada 2023» : hisy atleta maorisianina handray anjara

Hotanterahina ny alahady 26 marsa izao, eto Antana­narivo ny fifaninanam-pirenena amin’ny semi-marathon, iarahana amin’ny Telma. Hiavaka ity andiany fahatelo ity noho ny fisian’ny mpifaninana maorisianina, handray anjara. Efa nandefasana fanasana ny renione saingy mety tsy ho avy noho ny fisian’ny fifaninanana, mifanakaiky amin’ity semi-marathon ity. Io no nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny […]

Judo-Afrika Cadets/Juniors: hanana solontena 18 mianadahy i Madagasikara

Hotanterahina eto Madagasikara, ny herinandro faran’ny volana jolay 2023, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Cadets sy Juniors. 18 mianadahy ny judokas malagasy hifaninana. Araka ny efa nolazain’ny filohan’ny UAJ (Union africaine de Judo), Randrianasoloniaiko Siteny, ny faran’ny volana febroary lasa teo, raikitra fa handray ny fiadiana ny tompondakan’i […]

Makis de Madagasikara : nodimandry i Lanja na Lebigane

Misaona ny tontolon’ny rugby eto amintsika. Nodiman­dry ny alatsinainy 13 marsa, teo amin’ny faha-21 taonany, Andriamasinjanahary Lanja Fiononantsoa na Lanjabe Lebigane, mpilalaon’ny Makis de Mada. Taitra ny rehetra raha naheno ity vaovao mampalahelo ity, indrindra fa ireo akaiky azy. Matanjaka sy ma­hery i Lanjabe izao nindao­sin’ny fahafatesana tampoka izao. Anisan’ny […]