Navoakan-dRakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô, mpanazatra ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar hanao ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja baolina kitra. Fifaninanana goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy jzao. Miisa enina ireo mpilalao mila ravinahitra, anisan’izany i […]
Fanatajahantena
Basikety-JIOI 2023: 36 mianadahy hifantenana izay ho ekipa nasionaly
Nivoaka omaly ny lisitry ny mpilalao hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, taranja basikety 5×5 sy 3×3. 36 mianadahy izy ireo no voaantso. 18 lahy sy 18 vavy no miatrika fampivondronana hitilina izay handrafitra ny lisitra farany hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja basikety. […]
Barea : hifindra ao amin’ny Pau FC i Kenji Van Boto
Fantatra izao fa niala tao amin’ny AJ Auxerre, i Kenji Van Boto, vodilaharana havian’ny Barea de Madagascar. Hifindra lasy ao amin’ny Pau FC D2, ao Frantsa, ihany izy, ho an’ity taom-pilalaovana manaraka ity. Herintaona ihany aloha ny fifanarahany amin’ity ekipa ity, izay ambarany fa hainy tsara satria efa nindramin’io klioba […]
Rugby : ankizy 5 mianadahy lasa any Frantsa
3 volana tsy hanombohan’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja rugby, tanterahina any Frantsa. Mialoha izany fihaonana goavana izany, kilonga Malagasy 5 mianadahy avy amin’ny fikambanan’ny rugby Analamanga, Amoron’i Mania ary Boeny no nanainga nihazo ity firenena hanatontosana ny lalao ity, ny alahady lasa teo. Handray anjara amin’ilay tetikasa iraisam-pirenena «Village […]
Fanomanana ny JIOI 2023 : Sinoa manampahaizana 6 hanofana ny atleta malagasy
Ho fanohizana ny fiofanana nataon’ny atleta malagasy tany Chine, tonga eto Madagasikara ireo Sinoa manampahaizana 6 mianadahy. Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa Andre Haja, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ireo sinoa manampahaizana 6 mianadahy hanome fiofanana ny atleta malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023. Taranjam-panatanjahantena […]