Fanatajahantena

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : mbola baraingo ny tsipy kanetibe

Nambaran’Andriamilerovason Amiroudine, filohan’ny federation sport boule de Madagascar (FSBM), ny sabotsy lasa teo, teny Ivato, fa mbola baraingo ny ho fandraisana anjaran’ny tsipy kanetibe, amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara, ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Araka ny taratasy nalefan’ny federasiona iraisam-pirenena man­tsy, notazonina […]

Karate: hivoaka ny 9 jolay ireo handrafitra ny ekipa nasionaly

Nifarana omaly alahady 18 jona, teny By-Pass Am­bo­himanambola, ny fampivondronana fahadimy, hiti­lina ireo karateka handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, manomana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Hefarana ny faharetan’izany, niarahan’ ireo mpanazatra 6 mirahalahy ary ilay manampahaizana frantsay, i […]

Rugby – XXL Energy Top 20: nivoaka sempotra vao nandresy ny Mang’Art ny Tam Anosibe

Sahirana ny Tam Ano­sibe vao nahazo ny ta­pakila, hiatrehany ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Energy Top 20. Fihaonana, notanterahina omaly alahady 18 jona, teny amin’ny kianja Makis An­dohatapenaka. Efa tany amin’ ny fanalavam-potoana “mort subite”, vao nandresy ny Mang’Arts Manjakaray, ta­min’ny isa 29 no […]