Niaka-dapa ny ekipa malagasy, Barean’i Madagasikara, omaly, rehefa avy nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika (CHAN), taranja baolina kitra, natao tany Alzeria. Nankasitraka ny ezaka vitan’izy ireo ny fitondram-panjakana. Notolorana mari-boninahitra sy nomena fankasitrahana manokana ireo mpilalao sy ny mpanazatra, ary ny ekipa teknika miisa […]
Fanatajahantena
Toamasina: mahaliana olona maro ny Muay Thai
Anisan’ny taranja vaovao, saingy ankafizin’ny ankizy sy ny tanora maro, na ny ray aman-dreny aza, ao Toamasina ny haiady “Muay Thai”. Fantatra izany nandritra ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena, izay notanterahina tao amin’ny Club Nautique, ny alahady 5 febroary lasa teo. Ny maitre Mamy na ” Ajarn Mamy”, no nitarika […]
Tenisy – Afrika U18: hiatrika ny manasa-dalana i Miotisoa sy i Gloriana
Hotanterahina androany, ny lalao manasa-dalana iarahan’ny olon-droa, taranja tenisy, Afrika sokajy vehivavy U18. Fifaninanana atao any Le Caire, renivohitr’i Egypte. Hifanandrina amin-dRasendra Miotisoa, mpilalao Malagasy sy Gloriana Nahum, mpilalao Bénin, amin’izany ry Jermine Sherif sy Mariam Atia, mpilalao Egypsianina. Raha hiverenana ny lalao ampahefa-dalana an’izy roa mirahavavy ireto, lavon’i Miotisoa […]
Basikety-Mondial 3×3 : mbola manana ny anjara toerany ny vehivavy malagasy
Fandaharam-potoana lehibe miandry an’i Madagasi-kara, amin’ity taona 2023, eo amin’ny taranja basikety, ny fiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany 3×3. Efa tafita hiatrika izany ny ekipa malagasy lehilahy, mbola hiady toerana kosa ny sokajy vehivavy. Mbola manana ny anjara toerany anefa ireto farany, misy toerana telo banga amin’ ity “Mondial […]
Africa Rugby: hirotsaka hofidiana Rakotomalala Marcel
Anisan’ireo hilatsaka hofidiana, ao anatin’ny komity mpitantana ny Africa Rugby Rakotomalala Marcel, filohan’ny Federasiona malagasy ny baolina lavalava. Araka ny vaovao nambaran’ity farany ity teny Ankorondrano, omaly, dia any Cap Town Afrika atsimo, ny 18 martsa ho avy izao no hanaovana ny fifidianana. Tsy hirotsaka ho filoha mpitantana ny Afrika […]