Fanatajahantena

Handball – « Mondial 2023 »: Lavo i Frantsa, tompondaka i Danemark

Voahosotra ho tompondaka eran-tany amin’ny taranja handball ny ekipan’i Dane­mark. Lavon’izy ireo tamin’ isa 34 no ho 29 ny Les Bleus an’i Frantsa. Lalao izay no­tanterahina tao amin’ny kianjan’ny Tele2 Arena Stock­holm, ny alahady lasa teo. Raha hiverenana ny la­laon’izy ireo, nanindry tanteraka ny ekipan’i Danemark. Porofon’izany, nitarika ta­min’ny isa […]

Barea vs Senegal: hisy “écran géant” etsy amin’ny Parvis Analakely

Tsy ho diso anjara ny mpankafy baolina kitra ma­lagasy tsy afaka manatrika mivantana ny lalao manasa-dalana’ny Chan, hifandonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipan’i Senegal. Hisy ny «écran géant» hapetraka eo amin’ny Parvis Analakely. Taorian’ny fangatahana na­taon’ny mpankafy sy ny va­hoaka malagasy, nanapa-kevitra ny hametraka ity «Fan zone» ity ny eo […]

Tenisy – « Open d’Australie » : tompondaka i Novak Djokovic

Niakatra ho 22 indray ny amboara “Grand Chelem” an’i Novak Djokovic, mpilalao tenisy serba. Voahosotra ho tompondakan’ny “Open d’Australie” indray ny tenany, rehefa nandavo an’ilay mpilalao grika, Stefanos Tsitsipas tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/3, 7/6, 7/6). Lalao famaranana izay notanterahina ny alahady lasa teo. Niady tanteraka ny lalao, […]

Kitra – «Chan 2022»: hanohana ny Barea avokoa ny rehetra, anio

Tantara iray lehibe eo amin’ny baolina kitra malagasy, anio, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2022». Hiady ny tapakila hiatrehana ny famaranana ny Barea sy i Senegal. Voalohany eo amin’ny tantaran’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina […]

Mvola-2023: hitohy ny fanamboarana kianja

Ankoatra ny efa nahafantarana azy amin’ny tolotra omena ny mpanjifa amin’ny fandefasana sy fangalana vola ary fanavaovana petra-bola, manohy ny hetsika ara-tsosialy sy ara-toe-karena ary ara-panatanjahantena ihany koa ny Mvola. Eo amin’ny lafiny ara-panatanjahantena, mikasa hanangana kianja “multi­sports” miisa 4 toy ny eny Analamahitsy sy eny Anosizato ny Mvola. Hitohy […]