Fanatajahantena

Karate-Analamanga : mpikatroka 200 nifaninana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’ Ana­­­lamanga, taranja karate. Mpikatroka 200, avy amin’ny seksiona 8, no tonga nandray anjara nandritra izany, ka niady ny tompondaka. Tafa­katra avy hatrany hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao any To­liara, ireo tompondaka isaky ny […]

Rugby – «Top 12 Mada»: nisaraka ady sahala ny TFMA sy ny 3FB

Tsy nisy ny mpandresy teo amin’ny TFMA Ankasina sy ny 3FB Fahasalamana, nandritra ny andro fahenina hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Top 12 Mada”, taranja rugby. Nisaraka ady sahala ny roa tonta, lalao nampitsanga-mitoetra ireo mpijery. Nitohy tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny taranja rugby “Top 12 […]

SOMBIM-BAOVAO

Hatao ny 4 hatramin’ny 6 oktobra izao, any Toa­masina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Beach-volley. Hifarana ny 30 septambra izao kosa ny fe-potoana fandraisana ny anaran’ireo ekipa handray anjara mandritra ity fifaninanana nasionaly ity. Anisan’ny efa nisoratra anarana ny Stef’Auto, tompondaka farany. Hotontosaina anio sy rahampitso ny hetsika […]

Basikety-N1A : hiatrika ny “Road to Bal” ny tompondaka

Hanomboka afaka herinandro ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, N1A “Elites 8”, taranja basikety. Fifaninanana hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Araka ny fantatra, hiatrika ny “Road to Bal 2025”, izay ekipa tompondaka eo amin’ny sokajy lehilahy, mandritra ity dingana farany amin’ny N1A ity. Eo amin’ny fandaharam-potoana kosa, efa fantatra […]

«D2 Nationale» : nisaraka ady sahala ny FCA sy ny FC Avenir

Nitohy omaly ny andro faharoa amin’ny lalao mandroson’ ny “Poule des As” hiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja baolina kitra, “World Cola League Des Champions D2 Nationale”. Teny amin’ny Kianjan’Am­bohi­dratrimo, nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny FCA Ilakaka sy ny FC Avenir Anosy. Lalaon’ny samy nandresy ny an’ny […]