Fanatajahantena

Grand Maître Avoko: “Ilaina ny fandraisana andraikitry ny mpanao kung fu Wisa”

Lanonan-dehibe ho an’ny Federasiona malagasin’ny kung fu Wisa, ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Mpika­troka anarivony no nandray fampianarana tamin’ny Grand Maitre Avoko, filohan’ny Fe­derasiona. Hevi-dehibe nivoitra nandritra ny fihaonana ny nanambaran’ny Grand Maitre Avoko fa handray anjara mivantana amin’ny raharaham-pirenena ny taranja kung fu Wisa. “Ilaina […]

Mathyas : nampindramin’ny PSG ny FC Sète 34

Mbola mandeha ao ana­tin’ny fifindrana na “Mercato d’hiver” ny mpilalao ankehitriny. Nomen’ny PSG tolotra hindrana an’i Mathyas, mpilalao malagasy mandritra ity taom-pilalaovana ity ny Fc Sète 34. Vaovao nalaza tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. 19 taona Randriamamy Mathyas, ary ao amin’ny Nasional 2 izany izy no hilalao ankehitriny. Tsiahivina fa mpilalao […]

Kitra – «Chan 2022»: nahafaty baolina 5, nidirana 1 ny Barea

Taorian’ny lanonana tsotra nanamarihana ny fiakarana amin’ny ampahefa-dalana, amin’ny “Chan 2022” ny alatsinainy lasa teo, avy hatrany dia niverina an-kianja niko­trana ny Barea. Tsy niandry ela fa tao­rian’ny fahazoan’ny Barea de Madagascar ny tapakila hiatrehana ny dingana ampahefa-dalana, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina […]

Handball – IHF Trophy Kaontinantaly : lasan’ny Akio ny amboara «Fair-Play»

Nifarana ny asabotsy lasa teo, tany Congo Brazzaville ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly, taranja handball “IHF Trophy”, sokajy U18 sy U20 zazalahy. Tsy niveri-maina ny Akio de Madagascar, teo amin’ny sokajy “junior” fa nomen’ny kaonfederasiona afrikanina (CAHB), ho an’ny ekipa malagasy ny amboara “Fair-Play”. Noho ny fomba filalao madio […]