Andro vitsy mialoha ny fifaninanana, namoaka ny anaran’ ireo mpilalao handrafitra ny ekipa malagasy, hiatrika ny « Africa Cup 3×3 », taranja basikety, ny Federasiona malagasin’ny basikety. Mpilalao efatra ny eo amin’ny Ankoay, sokajy vehivavy, ahitana an’Andriamihajanirina Sydonie Ericka, Jaofera Minaoharisoa Christiane, Hajanirina Harisoa Muriel ary Raherimanana Rondro Émeranchine. Efatra, […]
Fanatajahantena
FKM : miantso ny hitandroana ny hasin’ny karate malagasy
Mamarana ny taom-pikatrohana 2024 ny eo anivon’ny Federasionin’ny karate malagasy. Nisy ny tatitra nataon’izy ireo, omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha. Nampitandrina ireo minia manakorontana ihany koa ny FKM. Tontosa araka ny tokony ho izy ny fandaharam-potoan’ny federasiona, tamin’ity taona 2024 ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Anisan’izany ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Tafita hiatrika ny famaranana amin’ny fiadian-toerana «Top 8», taranja rugby, ny Makis de Madagascar lehilahy. Omaly tany Maroc, lavon’izy ireo tamin’ny isa 33 no ho 7 ny liona tsy voafolak’i Cameroun. Hifandona amin’i Maroc, mpampiantrano ny Makis ny alahady ho avy izao. Mieritreritra ny hanao tolotra iraisam-pirenena, hitadiavana mpanazatra hitantana […]
Muay thai – « Tournament »: hifandona i Nounours sy i Panda
Raikitra ny fifaninanana «Muay Thai Tournament», hotanterahina ny sabotsy 23 novambra izao, eny amin’ny Dojo Henri Fraise Ankorondrano. Ady 15 no hitranga ary anisan’ny tena andrasana ny fifandonana eo amin’i Nounours (GISL) sy i Panda (DAM), eo amin’ny Main Event. Ankoatra izay, ady hafana ihany koa ny fihaonana eo amin’i […]
Judo – «Open de Dakar»: Malagasy mpikatroka telo hifaninana
Hanomboka anio ary hitohy hatramin’ny 23 novambra, ny fifaninanana «Open d’Afrique de Dakar», taranja Judo, tanterahina any Dakar. Tsy diso anjara amin’ity fifaninanana ity, i Madagasikara fa manana solontena 3 mirahavavy. Ahitana an’i Benandro Andriamahadiso Roumaica Riantsoa (Ica Rabesa), sokajy Juniors sy Seniors -57 kg, Ramorasata Idealisoa Miangalihanta, sokajy Juniors […]





