Fanatajahantena

Basikety – N1A Mada 2023 : natao hifantenana ny ekipam-pirenena

Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy 2023 sy ny lalaon’ny firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie”, hisy ny fitiliana mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy mandritra ny fifaninanana N1A, lahy sy vavy. Hotanterahina any amin’ ny kianja mitafo Vato­fotsy Antsirabe, ny 15-23 avrily ho avy izao, ny fifaninanana nasionaly, taranja basikety […]

Lomano-50 m : maherin’ny 300 ny mpandray anjara

Tanterahina any Toama­sina, nanomboka omaly 12 hatramin’ny 15 avrily, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, amin’ny halavirana 50 m. Mpilomano maherin’ny 300 no mifaninana amin’izany, atao ao amin’ny Piscine olympique du CJST. Klioba mihoatra ny 20 ny mandray anjara amin’ity andiany 2023 ity. Natao hanomanana sy hi­fantenana ireo […]

Atletisma – «Afrique Junior 2023» : Baraingo ny ho fandraisan’anjara ny Malagasy

Hotanterahina ao amin’ny Stade National des Heros ao Lusaka, Zambie, ny 19 ka hatramin’ny 23 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma, sokajy zandriny «cadet» sy «junior». Manana solontena efatra mianadahy amin’izany ny Malagasy saingy hatreto mbola baraingo ny ho fandraisana anjaran’izy ireo. Tsy mbola […]

« Ligue des champions d’Europe» : saro-dalana ny Bayern de Munich

Nivarahontsana i Eoropa iray manontolo, ny talata lasa teo, taorian’ny nandresen’ny Manchester City ny Bayern de Munich, tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0, nandritra ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Etihad Sta­dium. Tsy nisy tsy niresaka […]

Judo : « Dingana no vita fa tsy io no tanjona », hoy R. Laura

Mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny taranja Judo ho an’ny sokajy -70 kg, ilay vehivavy atleta malagasy, Rasoanaivo Laura. Nisy ny resadresaka nataon’ny gazety Taratra taminy, omaly. Dinidinika. Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny nandraisanao izany laharana voalohany maneran-tany izany ? Laura (-): Faly satria nahazoana vokatra ny ezaka […]