Fanatajahantena

Motocyclisme : nankatoavin’ireo ligy ny fitantanan’ny FMAM

Notanterahina teny Ambo­hidahy, ny sabotsy 1 avrily lasa teo, ny fivoriambe ara-potoana (AG) nataon’ny Fe­de­rasiona malagasin’ny Mo­tocyclisme. Nahazo fankatoavana na “Quitus 100 %” tamin’ireo ligy roa amin’ny telo misy ao amin’ny FMAM, Analamanga sy Vakinanka­ra­tra ny fitantanan-dRazafi­mahefa Tsirava, filohan’ny FMAM teo aloha, nandritra ny tatitry ny zava-bitan’ny Federasiona, ny taona […]

Rallye Terre des Causses : tsy nitsanga-menatra i Faniry

Anisan’ireo nisongadina, tamin’ireo niatrika ny dingana voalohany amin’ny Clio Tro­phy, amin’ny Rallye Terre des Causses, notanterahina tany Frantsa, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, Rasoamaro­maka Faniry. Tafiditra tao anatin’ireo 10 voalohany mantsy ny tovolahy, niaraka tamin’i Baptiste Langlois. Na izany aza, nandalo fotoan-tsarotra izy satria tojo olana mekanika tao […]

Judo: hiatrika fiadiana ny ho tompondaka eran-tany i Laura

Mitohy ny lalana ho an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, amin’ny fiatrehana fifaninanam-pirenena. Fifaninanana goavana maro no mbola hatrehany, hahazoany ny tapakila amin’ny lalao olympika 2024. Taorian’ny nandrombahany medaly volamena 3 sy alimo iray, nandritra ny “Open de Tunis” sy “Coupe d’Afrique d’Alger”; mbola hisy koa ny “Open de Luanda”, hifaninanan’i Laura, […]

Basikety: mpitsara 38 nahavita fiofanana

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fiofanana ho mpitsara, andiany «Taratra», nokarakarain’ny ligin’Anala­manga, taranja basikety. Mpiofana 38 mianadahy, 10 ny vehivavy, no nisitraka izany fampiofanana izany ary nahazo mari-pankasitrahana. Nizara sokajy roa izy ireo, ka nisy ireo tanora na «Jeunes arbitres» miisa 10 ary mpitsara zokiny kosa ny ambiny. Tafiditra […]

Lifeskills Fanoitra-MJS : tanora 6000 nahazo mari-pandraisana anjara

Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fanolorana ny mari-pandraisana anjara, ho an’ireo tanora niatrika ny Lifeskills Fanoitra. Fiofanana nitondra ny lohahevitra “Culture et Vision”, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Tanora 6000 eto amin’ny faritra Analamanga no nisitraka izany ary mbola hahazo ny anjarany ireo […]