Motocyclisme : nankatoavin’ireo ligy ny fitantanan’ny FMAM

Notanterahina teny Ambo­hidahy, ny sabotsy 1 avrily lasa teo, ny fivoriambe ara-potoana (AG) nataon’ny Fe­de­rasiona malagasin’ny Mo­tocyclisme. Nahazo fankatoavana na “Quitus 100 %” tamin’ireo ligy roa amin’ny telo misy ao amin’ny FMAM, Analamanga sy Vakinanka­ra­tra ny fitantanan-dRazafi­mahefa Tsirava, filohan’ny FMAM teo aloha, nandritra ny tatitry ny zava-bitan’ny Federasiona, ny taona 2022. Tonga nanatrika izany ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena raha toa ka tsy tao kosa ny ligin’Atsi­nanana.

Araka ny tatitra navoakan’ izy ireo, maherin’ny 40 tapitrisa ariary ny vola misy eo anivon’ny federasiona. Raha ny nambaran’i Jean Gabriel Harison, mpitondra vaovaon’ ny FMAM dia natao hividianana fitaovana manaraka ny fenitra ho an’ny tomponda­kan’i Madagasikara ny vola.
Maro, hoy izy ireo, ny zavatra efa vita, anisan’izany ny fifaninanana “4 Heures Honda”, sy ny “Course Sla­lom” miisa 10. Hiezaka ny handray anjara amin’ny “Mo­to­cross of Africa Can Nation Zone 7, 2023” izay hatao any Afrika Atsimo, ny 10 – 13 aogositra ho avy izao, ireo mpanamorintsika, ary handefa solontena malagasy amin’ny “Tourisme Automoto”, hatao any Eoropa, ny volana aogo­sitra ho avy izao, ny federasiona.
Tsiahivina fa hotanterahina ny 3 sy ny 4 novambra ho avy izao, eto amintsika, ny AG ho an’ny kaontinanta afrikanina. Hetsika izay tarihin’ ny FIM Africa, araka ny fivoriambe eran-tany Motocyclis­me, izay natao tany Italia, ny 4 desambra 2022.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: