Anisan’ireo nisongadina, tamin’ireo niatrika ny dingana voalohany amin’ny Clio Trophy, amin’ny Rallye Terre des Causses, notanterahina tany Frantsa, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, Rasoamaromaka Faniry. Tafiditra tao anatin’ireo 10 voalohany mantsy ny tovolahy, niaraka tamin’i Baptiste Langlois. Na izany aza, nandalo fotoan-tsarotra izy satria tojo olana mekanika tao anatin’ny fanatontosana ireo dingana manokana “ES”, nandritra ny andro voalohany ny sabotsy. Araka izany, very fotoana izy mirahalahy ka nampihemotra ny filaharany.
Na izany aza, voaarin’izy ireo ihany izany, teo amin’ny andro faharoa, natao ny alahady ka nahafahany nijanona tao anatin’ireo 10 voalohany, tsy nampilatsaka azy. Tetsy an-kilany, tratry ny fahasimbana ihany koa ny moteran’ny fiaran’i Mika, rahalahiny ka very fotoana. Tsy afa-nanoatra izy ka tany amin’ny laharana faha-33 no nisy azy ireo.
Tsy nahatontosa ny hazakazaka hatramin’ny farany, Rakotomalala Axel, Malagasy fahatelo niatrika ity Rallye Terre des Causses, ity. Nivoaka ny arabe ny fiara nentiny teo amin’ny “ES 8”.
Torcelin




