Fanatajahantena

Volley-CAVBZone 7 : raraka tamin’ny manasa-dalana ny GNVB vehivavy

Taorian’ny faharesen’ny ekipan’ny GNVB lehilahy sy ny Stef’Auto, teo amin’ny ampahefa-dalana, resy koa ny GNVB vehivavy, teo amin’ny manasa-dalana. Fi­fa­ninanana hiadiana ny am­boaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley-ball. Niondrika nanoloana ny Anse Royale Seychelles, ny ekipa malagasy GNVB. Seta 3 no ho 2 no nisarahan’ ny […]

Lalaon’ny Nosy : mpilalao volley-ball telo an’ny Cosfa handrafitra ny ekipam-pirenena

Natsangana teo anivon’ny Foloalindahy ny Cosfa, ny taona 1982. Ahitana ny Tafika, ny zandarimariam-pirenena, ny sivily ary ny OMSC na office militaire des sports et de la culture, tarihin’ny Jly Rajao­sitera Rollando. Efa nandrombaka amboara maro ary mampiavaka azy ny fananana mpilalao maro amin’ny karazam-panatanjahantena samihafa. Ankehitriny, 602 ireo mpilalao […]

Opl Awards 2022 : voahosotra ho mpilalao mendrika i Dax sy Nina

Notanterahina ny alarobia alina lasa teo ny lanonam-pa­natanjahantena, “OPL Awards 2022”. Nosafidin’ireo mpankafy baolina kitra ho mpilalao mendrika nandritra ny taom-pilalaovana 2021 – 2022 Andriamirado Arohasina na i Dax, mpilalaon’ny Fosa Ju­nior. Rakotoasimbola Zaka­nirina (Nina), mpilalao mendrika nosafidian’ny mpanao gazety tamin’ny taom-pilalaovana 2021-2022. Lanonana natao teny Ivato. Marihina fa natao […]

Basikety-Alley Hoop FIBA 3×3: 700 mahery ny mpilalao hifaninana

Hanomboka rahampitso 3 marsa ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­ma­sina sy Petit Palais ny fifaninanana “Alley Hoop FIBA 3×3”, taranja basikety. Tafakatra 700 ny mpilalao nisoratra anarana ahitana ekipa 171. Raha toa ka ny sokajy U17, U23 sy Seniors ihany no noeritreretina hifaninana, ahitana ny sokajy Vétéran ary ny Super Vétéran […]