Lalaon’ny Nosy : mpilalao volley-ball telo an’ny Cosfa handrafitra ny ekipam-pirenena

Natsangana teo anivon’ny Foloalindahy ny Cosfa, ny taona 1982. Ahitana ny Tafika, ny zandarimariam-pirenena, ny sivily ary ny OMSC na office militaire des sports et de la culture, tarihin’ny Jly Rajao­sitera Rollando. Efa nandrombaka amboara maro ary mampiavaka azy ny fananana mpilalao maro amin’ny karazam-panatanjahantena samihafa. Ankehitriny, 602 ireo mpilalao mandrafitra ity ekipan’ny Folo­alindahy ity mitsinjara anaty taranja 16 isan’izany ny volley Ball, basket-ball, football, kick boxing, rugby… Vokatra nampisongadina ny Cosfa ny nahazoana ny trophée MAHERY ny taona 2019 teo amin’ny taranja rugby. Efa tompondakan’i Madagasikara koa teo amin’ity taranja rugby ity ny taona 2019, 2021, 2022. Nandrombaka medaly volamena sivy ireo mpilomanon’ny klioba Cosfa, medaly volamena fito ho an’ny taranja athlétisme, enina teo amin’ny boxe sy haltérophilie. Efa niatrika lalao iraisam-pirenena sy amboara ho an’i Afrika koa ny Cosfa. Midika izany fa efa lasa lavitra ny klioba ary manana ny toerany amin’ny resaka fanatanjahantena izy ireo. Ho an’ity taona 2023 ity, mpilalao volley ball miisa telo no voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena hilalao amin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 hatao eto Madagasikara. Vinan’ny OMSC ny hametrahana ny bataillon de sports eo anivon’ny minisiteran’ny Fia­rovam-pirenena, noho ny hamaroan’ireo atleta mandrafitra ity klioba ity.

Jean Claude

Partager sur: