Hanomboka rahampitso 3 marsa ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy Petit Palais ny fifaninanana “Alley Hoop FIBA 3×3”, taranja basikety. Tafakatra 700 ny mpilalao nisoratra anarana ahitana ekipa 171. Raha toa ka ny sokajy U17, U23 sy Seniors ihany no noeritreretina hifaninana, ahitana ny sokajy Vétéran ary ny Super Vétéran ihany koa. Ahitana sokajy latsaky ny 17 taona vehivavy, raha toa ka 32 kosa ny sokajy lehilahy. Eo amin’ny U23, ekipa 20 ny vehivavy ary 48 ny lehilahy. Ekipa 8 ny sokajy Seniors vehivavy, raha toa ka 20 ny lehilahy. Samy manana ekipa 8 avy kosa ny sokajy Vétéran lahy sy vavy ary ekipa 6 ny Super Vétéran. Misy ekipa 5 kosa ny ekipan’ny mpanohana izay handray anjara mavitrika amin’ny fifaninanana mandritra ny 3 andro.
Raha ny fandaharam-potoana, hisy lalao tsy an-kiato, manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 8 ora alina amin’ny kianja miisa 5 ao amin’ny Palais sy Petit Palais, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny RDJ, mpikarakara ny fifaninanana, Rasolojaona Tahiana Harifetra na i Jay Tax. Tsy ny eto Antananarivo ihany no marisika hifaninana fa hahitana maro avy any amin’ny faritra, toy ny any Toamasina, Toliara, Fianarantsoa ary Mahajanga. Marihina fa mifanampy amin’ny lafiny teknika ny Federasiona malagasin’ny basikety ary mpanohana kosa ny Orange sy ny Star.
Mi.Raz




