Tapitra anio ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, “bassin 50 m” izay nanomboka ny 1 mey lasa teo, teny amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha. Araka ny vaovao nampitain’ny tale teknika nasionalin’ny Federasiona malagasin’ny lomano (FMNa), ity fifaninanana nasionaly ity no mamaranana ny taom-pilalaovana 2024. Raha ny fanazavana voaray, […]
Fanatajahantena
Rugby vehivavy – «Can 2024» : vonona hanala vela amin’i Kenya i Madagasikara
Hifantoka amin’ny lalao rugby, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrique (CAN 2024), sokajy vehivavy, avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena anio. Hotanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2025”. Hanomboka anio sabotsy, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy vehivavy, taranja rugby lalaovina olona 15 (Can […]
SOMBIM-BAOVAO
Efa nigadona, omaly, teny Ivato avokoa ny delegasionin’ireo firenena telo mandray anjara amin’ny «Can 2024», taranja Rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy. Tsiahivina fa hatao manomboka rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ity fifaninanana Afrikanina ity. Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny Ambohimanga, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja […]
«Ligue des Champions» : ratsy toerana ny Paris Saint-Germain
Tapitra, afakomaly, ny lalao manasa-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Europa, “Ligue des champions (LDC) 2024”, taranja baolina kitra. Sarotsarotra ny hiakaran’ny Paris Saint Germain (PSG), amin’ny dingana manaraka. Lavon’ny Dortmund Allemagne, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo, ny alarobia lasa teo, tany Iduna Park Allemagne. Mbola tsy […]
Rakotobe Kristina : hilalao amin’ny klioba D1 any Amerika
Rakotobe Kristina, vehivavy mpilalao basikety, no mety ho Malagasy voalohany hilalao amin’ny divizionina ambony, D1, any Amerika. Araka ny vaovao navoakany tao amin’ny pejiny, omaly, nahazo tolotra hifindra ao amin’ny UNC Greensboro Spartans ny tenany, amin’izao fotoana. Araka ny fikarohana natao, handray 19 taona amin’ity volana ity i Kristina, mirefy […]




