Fanatajahantena

Ligue des Champions 2024: hanala vela amin’ny Real ny Bayern

Hotanterahina anio sy rahampitso, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa, klioba roa avy ao Alle­magne, ny Dortmund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany. Anisan’ny […]

Basikety – OQT Debrecen : hiofana any Serbie ny Ankoay 3×3

Anisan’ireo firenena 16 mandray anjara amin’ny fifaninanana OQT any Debrecen Hongrie, ny 16-19 mey ho avy izao i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, haka traikefa ao amin’ilay Akademian’ny Basikety 3×3 any Novi Sad Serbie, ny Ankoay 3×3. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny basikety (Fmbb), Ramaroson Jean Michel, omaly, teny Ambohijatovo, fa hanainga […]

Rugby – AROI : Tompondakan’ny Makis vehivavy

Nibata fandresena miezinezina indray ny Makis de Madagascar, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina “AROI 2024”, ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy zandriny latsaky ny 18 taona, vehivavy. Norombahin’ny tovovavy malagasy mantsy ny amboara. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Kianja Casabona St Pierre, ny sabotsy 27 sy omaly 28 […]