Fanatajahantena

Barea vs Senegal: hisy “écran géant” etsy amin’ny Parvis Analakely

Tsy ho diso anjara ny mpankafy baolina kitra ma­lagasy tsy afaka manatrika mivantana ny lalao manasa-dalana’ny Chan, hifandonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipan’i Senegal. Hisy ny «écran géant» hapetraka eo amin’ny Parvis Analakely. Taorian’ny fangatahana na­taon’ny mpankafy sy ny va­hoaka malagasy, nanapa-kevitra ny hametraka ity «Fan zone» ity ny eo […]

Tenisy – « Open d’Australie » : tompondaka i Novak Djokovic

Niakatra ho 22 indray ny amboara “Grand Chelem” an’i Novak Djokovic, mpilalao tenisy serba. Voahosotra ho tompondakan’ny “Open d’Australie” indray ny tenany, rehefa nandavo an’ilay mpilalao grika, Stefanos Tsitsipas tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/3, 7/6, 7/6). Lalao famaranana izay notanterahina ny alahady lasa teo. Niady tanteraka ny lalao, […]

Kitra – «Chan 2022»: hanohana ny Barea avokoa ny rehetra, anio

Tantara iray lehibe eo amin’ny baolina kitra malagasy, anio, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2022». Hiady ny tapakila hiatrehana ny famaranana ny Barea sy i Senegal. Voalohany eo amin’ny tantaran’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina […]

Mvola-2023: hitohy ny fanamboarana kianja

Ankoatra ny efa nahafantarana azy amin’ny tolotra omena ny mpanjifa amin’ny fandefasana sy fangalana vola ary fanavaovana petra-bola, manohy ny hetsika ara-tsosialy sy ara-toe-karena ary ara-panatanjahantena ihany koa ny Mvola. Eo amin’ny lafiny ara-panatanjahantena, mikasa hanangana kianja “multi­sports” miisa 4 toy ny eny Analamahitsy sy eny Anosizato ny Mvola. Hitohy […]

Badminton : valo mianadahy hiofana any Chine

Efa fantatra avokoa ny anaran’ny mpilalao ao amin’ny taranja badminton, handeha hiatrika fiofanana any Chine. Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), araka ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana. Miisa 8 mianadahy ka 5 lahy sy vavy 3 no hisitraka izany. Miampy mpanazatra iray izy ireo, Rasamiarisena Georges. “ Mason-tsivana tamin’ny fifantenana […]