Fanatajahantena

Inter- Medias 2024 : hatao ny 4 mey avokoa ny lalao rehetra

Nisy fiovana ny fandaharam-potoan’ny fifaninanana ho an’ireo orinasan-tserasera “Inter- Medias 2024”, “Iray eny an-kianja”. Hatao eny Mahamasina, ny 4 mey ho avy izao, avokoa ny lalao rehetra amin’izany, araka ny fanazavana nomen-dRasoloarison Harimbola Monica, filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), omaly. Marihina fa saika natao roa andro, ny […]

Handball: hatao eto Madagasikara ny “IHF Trophy”

Taorian’ny fandavan’i Maurice tsy handray ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, sokajy “cadet” sy “junior”, hampiantrano izany indray i Madagasikara. Takina ny Licence D izay ho mpanazatra hitondra ny Akio de Madagascar. Nambaran-dRaheriari­jaona Regina Clarisse, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja handball (FMH), omaly, teny Mahama­sina, fa hatao eto Madaga­sikara ny “IHF Trophy”, […]

Padel Madagascar : fahombiazana ny fiofanana nomen’i Bondia

Nifarana ny talata lasa teo teny Ambatobe ny fiofanana nataon’ireo mpanazatra miisa 16, ny taranja Padel eto Ma­dagasikara. Nitarika sy nizara ny traikefany nandritra ny roa herinandro, i Julien Bondia, mpanazatra iraisam-pirenena. Raha tsiahivina, mpanabe amin’ny taranja Padel, na­nomboka ny taona 2014 izy rehefa avy mpilalao ny taona 2008. Fa­hombiazana […]

SOMBIM-BAOVAO

Misaona ny tontolon’ny taranja handball mala­gasy. Nindaosin’ny fahafatesana, ny talata lasa teo tany Toliara, i Debrockay Willy fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Ralila sy i Fihenena Parfait. Izy miraha­lahy ireo izay samy mpilalaon’ny Asco Toliara. Efa nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara niaraka izy mirahalahy. Hiditra an-tsehatra anio, ireo mpanao judo Ma­lagasy […]

Handball – «Licence D IHF» : mpanazatra 18 miofana

Nanomboka omaly tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra, eo amin’ny taranja handball. Mahatratra 20 mianadahy ireo miatrika izany avy amin’ny ligim-paritra 7 eto Madagasikara. Mitarika izany ilay manampahaizana frantsay, avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena, i Alain Desserten. Lohahevitra maro no ifantohan’ny fampianarana. Manomboka any amin’ny fomba fitarihina […]