Araka ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, nanapa-kevitr’izy ireo ny handoavana ny tambin-karaman’ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar, sokajy A. Tsiahivina fa io no anisan’ny olana tsy nahafahan’ireo mpilalao milaravinahitra sasany namonjy ny lalao ara-pirahalahiana teto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao. Afaka andro vitsy, hiatrika ny fiadiana ny ho […]
Fanatajahantena
“Africa cup – 3 x 3” : hatao eto Madagasikara
Nankatoavin’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alarobia lasa teo, ny hanatontosana ny fiadiana ny amboaran’ i Afrika “Africa cup” lalaovin’olona 3, ho an’ny sokajy lehilahy, taranja basikety. Hatao ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra izany. Raha tsiahivina, efa nambaran-dRamaroson Jean Michel, filohan’ny Federasiona malagasin’ny […]
Judo – Tompondakan’i Afrika : nahazo medaly alimo Rasoanaivo Laura
Atleta malagasy iray tamin’ireo efatra mianadahy nahazo vokatra tsara, Rasoanaivo Laura, vehivavy judoka, medaly alimo, teo amin’ny sokajy (-70 kg). Hiatrika ny lalao isan-tarika indray ny ekipam-pirenena malagasy rahampitso. Tsara ny vokatra ho an’ny solontenan’i Madagasikara, omaly, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Egypte, taranja Judo, sokajy senior, […]
Ping Pong – Afrika Atsinanana : volamena telo sy volafotsy iray azo
Nifarana omaly ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika faritra Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra, ping pong, lahy sy vavy, izay natao tany Ouganda. Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity, nandrombaka medaly volamena telo sy volafotsy iray ny ekipam-pirenena malagasy. Ho an’ny sokajy lehilahy, voahosotra ho tompondakan’ny lalao […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianja Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana « Grand Open de Mada », ho an’ny haiady Jiu-Jitsu brezilianina. Lalao izay karakarain’ny Club 101 Jiu Jitsu. Tsara marihina fa ity no andiany faharoan’ny “Grand Open de Mada”. Hafindra eto Antananarivo ny fiadiana ny ho […]




