Fanatajahantena

Atletisma – «Afrique 2024»: miankina amin’ny minisitera ny isan’ny atleta ho any Cameroun

Tontosa omaly, tetsy amin’ ny kianja Alarobia ny fifaninanana nitiliana ireo atleta ma­lagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “sénior”, lahy sy vavy, eo amin’ny taranja atletisma. Nitsapana azy ireo ny 100 m sy ny 400 m, lahy sy vavy, ary ny vikin-dava sokajy vehivavy. Tsy nisy ny […]

Basikety- All Step : nifandona ny Lycée Andohalo sy ny Sainte Chantale

Niditra tamin’ny andro faha-4, ny faran’ny herinandro teo, basikety natokana ho an’ ny Lycée, “All Step”. Fifa­ninanana karakarain’ny ligin’ Analamanga, taranja basikety, hiaraha-miasa amin’ ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pire­nena. Lalao miisa 6 no notontosaina ny sabotsy 13 avrily teo ary anisan’ny tena niady ny fihaonana teo amin’ny Lycée Andohalo sy ny Lycée […]

DAKA AN-JORONY: Ataovy «serieux» raha tena hilalao

Vaovao nampangorintsina ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpiondana ny baolina kitra, ny nandre ny herinandro lasa iny fa tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona Afrikaninan’ny baolina kitra (Caf) ny kianja Barea Mahamasina. Maro ny fanontaniana nivezivezy tamin’izany saingy mijanona ho antso an’efitra sy tsy misy valiny mazava izany. Ataovy […]

Judo-Tompondakan’i Afrika : Mbola baraingo ny fandraisan’ i Madagasikara anjara

Higadona afaka valo andro ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Manana fikasana ny handefa atleta enina mianadahy ny federasiona malagasin’ ny judo amin’ity fifaninanana ity. Fifaninanana hatao any Egypte, manomboka ny 23 avrily ho avy izao izy ity. Hatreto, tsy mbola nandefa ny taratasy milaza ny fandraisany anjara […]

Sombim-baovao

Nisongadina indray Randriatsiferana Tokinantenaina Olivier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra milalao any La Reunion, omaly. Nahatafiditra baolina telo ho an’ny St Paul, klioba renioney izy ary nandresy ny St Suzanne tamin’ny isa mavesatra, 7 no ho 0, ry zareo tamin’izany. Tsiahivina fa i Tsiry kely no mpilalao […]