Andro iray sisa, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”. Araka izany, navoakan’ ny Kaonfederasiona afrikanina taranja baolina kitra (Caf), ny “Marhaba”, anaran’ilay baolina ofisialy holalaovina mandritra izany. Vaovao izay navoakan’ny Caf tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. “Marhaba” izay midika amin’ny teny malagasy hoe “tongasoa”. Niainga tamin’ ny aingam-panahin’ny […]
Fanatajahantena
Fivoriamben’ny Rugby Afrique : nahazo fanasana ho atsy Afrika Atsimo Rakotomalala Marcel
Anisan’ireo federasiona, hiatrika ny fivoriamben’ny Rugby Afrique ny Malagasy Rugby. Handray anjara mihitsy amin’ny fifidianana izay ho filoha hitantana indray ny kaonfederasiona afrikanina ho an’ny taom-piasana manaraka Rakotomalala Marcel. Hotanterahina ny asabotsy 18 marsa 2023, ao Cape Town Afrika Atsimo ny fivoriamben’ny kaonfederasiona afrikanina ny rugby (Rugby Afrique). Anisan’ ireo […]
Kitra any ivelany : maro ny mpilalao nandeha retirety
Maro ny mpilalao baolina kitra malaza, nandeha nisotro ronono. Isan’ny tena misongadina amin’izany i Gareth Bale, mpilalao an’i Pays de Galles sy i Hugo Lloris, kapiteny frantsay ary i Blaise Matuidi, mpilalao frantsay ihany koa. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera nanomboka ny alatsinainy lasa teo. “Rehefa nandinika […]
Tenisy – Afrika 2023 : misongadina ny mpilalao malagasy
Notanterahina ny alatsinainy teo ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja tenisy, aty amin’ny faritra Atsimo. Fifaninanana izay natao ho an’ny sokajy U14 sy U16 lahy sy vavy. Vokatra tsara no azon’ireo ekipa malagasy, tamin’ity fifaninanana izay tanterahina any Harare Zimbabwe ity. Miisa telo ireo mpilalao malagasy […]
Tae-Kwon-Do WT Frantsa : nahazo “diplôme régional jeune arbitre” i Jessica
Tsy mitsahatra ny misongadina any Frantsa Randriamiandrisoa Jessica, ilay Malagasy mpanao Tae-kwon-do WT. Ny alahady lasa teo, afaka tamin’ny dingana voalohany tamin’ny fanadinana, hahazoana ny mari-pahaizana “diplôme régional jeune arbitre” ny tovovavy. Nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly Pays de Loire Nantes, ny nahazoany izany. Raha tsiahivina, misy fitsapana […]