Tsy mbola tapitra akory ny dian-tantara mahakasika ny kianjaben’i Mahamasina sy ny Barea de Madagascar ary ny tontolon’ny baolina kitra. Eo anivony mihitsy ny rehetra amin’izao fotoana izao. Efa nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao, niaraka tamin’ny filohan’ny federasiona malagasy, fa miezaka manitsy ny tsy mety izy […]
Fanatajahantena
Sombim-baovao
Hotontosaina ny 5 mey ho avy izao, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja moto scooter. Ankoatra izay, notanterahina omaly, teny Ivato, ny dingana voalohan’ny fifaninanana « Enduro Motul Sherco ». Eo amban’ny fiahian’ny Federasiona malagasin’ny Moto (FMaM) ireo fifaninanana ireo. Niainga afakomaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina […]
Kitra –Telma Coupe: tafita ny CFFA sy ny Elgeco Plus
Nifarana omaly ny 1/16, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 », taranja baolina kitra. Nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka amin’ny fifaninanana ny Elgeco Plus, nahazo ny amboara tamin’ny taon-dasa sy ny CFFA Andoharanofotsy, tompon’amboara lefitra farany. Ny ekipan-dra Heribe, mpanazatra ny CFFA, nanaporofo ny maha ekipa sangany azy […]
Tenisy – ITF/CAT : Tompondakan’ny « Circuit mondial Junior J30” Rasendra Miotisoa
Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara nandritra ny fifaninanana “ITF World Tennis Tour- J30” izay natao tany Abidjan. Nahazo ny laharana voalohany Rasendra Miotisoa, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Fahombiazana tanteraka no azon-dRasendra Miotisoa, vehivavy mpilalao tenisy, nandritra ny famaranana ny fifanintsanana “Circuit mondial Junior J30”, izay natao tany Abidjan Côte […]
Judo – Tompondakan’i Afrika : handray anjara i Madagasikara
Afaka miatrika tsara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Egypte, ny 23 avrily ho avy izao, i Madagasikara. Araka ny vaovao nampitain’i Said Bruno Eric, filohan’ny Federasiona malagasin’ny judo (FMJ), omaly, nahazo ny tapakilam-piaramanidina, telo avy any amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) izy ireo. “Misaotra ny […]





