Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fisarihana ho an’ny fifaninanam-pirenena N1A, lahy sy vavy, taranja basikety. Ekipa 12 lahy sy 12 vavy no hiady ny lohany. Nivoaka ofisialy ireo ekipa hifaninana izay notsinjaraina faritra roa. Misy ny faritra Atsinanana sy faritra afovoany. Ho an’ny faritra Atsinanana, ny Ascut […]
Fanatajahantena
“Can 2024”: Hanala vela amin’i Côte d’ivoire ry zareo Malianina
Anisan’ny fihaonana be mpiandry anio sabotsy, fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena taranja baolina kitra (Can 2024), ny fifanandrinan’ny Voromaherin’i Mali sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Lalao hotanterahina ao amin’ny Stade de la Paix Bouaké. Hanohitra ny ivoarianina, mpampianatrano, amin’ity ry zareo Malianina. Raha ny antotanisa teo amin’ny fifanandrinan’ny […]
Ski alpin – « Mondial Junior 2024 »: Solontena malagasy i Mathieu Neumuller
Notanterahina nanomboka omaly hatramin’ny anio, any Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2024”, taranja ski alpin, sokajy juniors. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninanana ity, i Mathieu Neumuller. Araka ny fikarohana natao, miisa 160 ireo mpifaninana amin’ity Malagasy mpilalao ski ity, any amin’ny “Ski des Gets”, Morzine, Avoriaz, Chatel, […]
“Grand Slam de Paris” : Malagasy judokas 3 hifaninana
Hanomboka rahampitso 3 febroary, ao Paris, ny fifaninanana “Grand Slam de Paris”, taranja judo. Malagasy mpikatroka 3 mianadahy no solontenan’i Madagasikara amin’ity fifaninanana maneran-tany ity. Fifaninanana goavana satria hihaonan’ireo judokas tompondaka maneran-tany sy manerana an’i Eoropa. Anisan’ny hiatrika izany i Christiane Vital, Malagasy mpikatroka mila ravinahitra ao Frantsa. Efa mpandray […]
Lalao afrikanina: hifaninana i Madagasikara
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny lalao afrikanina, andiany faha-13 hatao any Accra Ghana, ny 8 hatramin’ny 25 marsa izao. Resy lahatra ny fitondram-panjakana rehefa namelabelatra sy nanazava ny maha zava-dehibe ity fifaninanana ity ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, […]




