Fanatajahantena

Basikety-Africa Cup 3×3 : nahazo fankasitrahana ny Ankoay lahy sy vavy

Tompondakan’i Afrika, ta­ranja basikety 3×3, ny Ankoay lehilahy, tompondaka lefitra kosa ny Ankoay vehivavy. Vokatra tsara misongadina amin’ny tantaram-pirenena sy ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fe­derasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel, tetsy Mahamasina. Mpilalao lehibe teo anivon’ny FMBB avokoa izy 8 mianadahy ireto izao nahazo […]

Karate – “Afrika 2022” : Samy miziriziry i Emile sy i Solofo

Niara-nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny delegasiona malagasy taranja karate mi­isa roa, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, omaly. Samy nitondra ny fanazavana mahakasika ny zava-nitranga tany Durban ny andaniny sy ankilany. Nanamafy Ratefinanahary Emile fa izy no efa neken’ny UFAK sy ny WKF ho filoha mpitantana ny federasion’ny karate-do […]

Lalaon’ny CJSOI 2022 : «Tsy misy laharana ka tsy laharam-pahamehana», hoy i Tinoka Roberto

Mbola niteraka resabe, teo amin’ny rehetra, omaly, ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara, tamin’ny lalaon’ny CJSOI 2022, mizotra ao Maorisy, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny minisitra Tinoka Roberto fa tsy laharam-pahamehana izany. Nahoraka teny anivon’ny tambajotran-tserasera, ny mahakasika ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny lalaon’ny vaomieran’ny tanora sy ny fanatanjahantena eto anivon’ny […]

Andrianiaina Arnaud : nahazo ny mari-pahaizana Memos

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fianarana nataon’Andriainiaina Arnaud, mahakasika ny fitantanana ny fanatanjahantena ka naha­zoany ny diplaoma «Memos (Master Exécutif en Mana­gement des Organisations Sportives», izay naharitra herintaona tao amin’ny oniversite Lunex Luxembourg Paris. Mari-pahaizana faratampony omen’ny Komity iraisam-pirenena Olympika ny Memos, rehefa avy niatrika ny «Cours des dirigeants […]

Basikety-Africa Cup 3×3 : hotsenaina makotrokotroka ny Ankoay

Sambany teo amin’ny tantaran’ny basikety malagasy ny nahazoan’ny Ankoay lehilahy, ny tapakila amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety lalaovin’olona telo. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika mantsy ny ekipa ma­lagasy lehilahy, nandritra ny fifaninanana “Africa Cup 3×3” natao tany Egypta, ka tafita avy hatrany amin’ny “Mondial” 2023 hatao any Australia. Tompondaka […]