Fanatajahantena

“Can 2024”: ratsy toerana i Côte d’Ivoire

Niteraka resabe teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany ny faharesen’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, mpampiantrano, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0, nanoloana ny Nzalang National, Guinée Equatoriale, teo amin’ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024). Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Alassane Ouattara, ny alatsinainy […]

«Telma Coupe 2023» : ho fantatra anio izay hanao famaranana

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Ma­da­gasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray, ny ekipan’ny AS Fanalamanga Toamasina no hihaona amin’ny CFFA Andoharanofotsy ary ny Disciples FC Vakinankaratra hifanandrina amin’ny Elgeco Plus Ana­la­man­ga. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana nataon’izy ireo. […]

Badminton – «Mada sénior»: Mbola tsy nisy naharesy i Thierry

Tontosa ny sabotsy sy ny alahady teo, teny amin’ny kianja mitafo ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton, sokajy “senior” lahy sy vavy. Mbola voatazon’i Thierry (St Jo Mahamasina) ny maha tompondaka azy, teo amin’ny “série A” lehilahy. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 1 […]

Atletisma-Ligin’Itasy : hanomboka ny “Cross-Country”

Nivoaka ny alahady lasa teo ny fandaharam-potoana, taom-pilalaovana 2023-2024, ho an’ny ligin’Itasy, taranja atletisma. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 24 febroary ho avy izao, any Analavory, ny fifaninanana rezionaly “Cross-Country”. Ny sokajy U16, U18, U20 sy Sénior no afaka mandray anjara amin’izany. Hotontosaina manomboka ny volana avrily ny […]

Volley-CAVB Zone 7 : hatao eto Madagasikara manomboka ny 23 febroary

Nambaran’ny federasiona malagasin’ ny Volley-ball ofisialy, omaly, teny amin’ny foiben’ny KOM (Komity Olympika Malagasy) Ivandry, fa handray ny CCC-CAVB Zone (Championnat des Clubs Champions), Zone 7, andiany faha-28, i Madagasikara. Ny 23 febroary izao hatramin’ny 2 marsa no hanaovana izany eto Antananarivo. Toeram-pifaninanana 3 no efa tapaka fa handray ny […]