Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro izao ireo ekipa valo hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League ». Ny ekipan’ny Asa Diana sy ny Fosa Junior ary ny Disciples FC, izay efa tafita no hiatrika izany. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Fosa Junior no tompondaka farany, tamin’ity fifaninanana ity. Notanterahina teny […]

SOMBIM-BAOVAO

Lany ho filohan’ny ligin’Analamanga, taranja karaté, Rakotomalala Pierrot. Fifidianana notontosaina omaly, ka seksiona 6 tamin’ny 8 no tonga nifidy. Tsy afaka nandray anjara ireo seksiona roa, Avaradrano sy Marovatana. Lany 100% ny filoha vaovao izay kandidà tokana. Mpanazatra 15 mianadahy, telo vehivavy, no nahavita ny fiofanana “Young Coach”, taranja basikety, […]

Trail d’Ibity : voalohany i Rivosoa sy i Cornie Ludivine

Tontosa ny alahady 7 avrily lasa teo, tany Vaki­nankaratra, ny andiany fahavalo amin’ny “Trail d’Ibity”. Fihaonana nokarakarain’ny Antenna Technologies Antsi­rabe. Nahatratra 3 000 ireo nandray anjara, nifaninana tamin’ny halavirana 2 km ho an’ireo ankizy, an’olon-dehibe, ny 12 km ho an’ireo salama vatana sy matanjaka ary ny 30 km izay zava-baovao […]