Fanatajahantena

Échecs-Mada 2023 : nisongadina ny klioban’ny MCG

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lalaon-tsaina Échecs. Ny sokajy Blitz sy Rapide no nifaninana tamin’izany ka nisongadina hatrany ny klioban’ny MCG. Mpilalao avy amin’ity klioba ity avokoa no voahosotra ho tompondaka na teo amin’ny Blitz izany, na teo amin’ny Rapide. Ho an’ny […]

Atletisma – Taom-pilalaovana 2023 : nankatoavin’ny ligim-paritra 11 ny asa vitan’ny federasiona

Afaka manohy ny asany ara-dalàna ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA). Nankatoavin’ireo ligim-paritra 11 ny asa vitany nandritra ny taom-pilalaovana 2023. Betsaka ny asa miandry, anisan’izany ny lalao Olympika, “JO 2024”, any Paris France. Notanterahina tetsy amin’ny kianja Alarobia, ny alahady lasa teo, ny fivoriambe ara-potoanan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA). Nanatrika […]

GTA- Manasa-dalana : Tafita ny Disciples FC, ny US Pro, ny Ajesaia ary ny Elgeco Plus

Notontosaina ny asabotsy sy omaly alahady, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny ampahefa-dalan’ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo”, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny manasa-dalan’ity fifanintsanana ity ny ekipan’ny Disciples FC OPL, ny Us Pro Anala­manga, ny Ajesaia Opl sy ny Elgeco Plus Opl. Raha hiverenana ny ampahefa-dalan’izy ireo, ny […]

Kung fu-Mada 2023 : mpikatroka 15 niatrika famaranana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kung fu, taona 2023. Teny amin’ny Temple de Pierre Mizael, Ambatomirahavavy, no nanatanterahina izany, nandritra ny 2 andro. Ny asabotsy 16 desambra no nanaovana ny dingana fifanintsanana sy ny manasa-dalana ary omaly alahady 17 desambra kosa ny dingana famaranana. […]

« Cosafa School U-15 »: Tsy tafavoaka vondrona i Madagasikara

Tsy namokatra firy ny ekipa nasionaly malagasy nandritra ny “Cosafa School U-15”, natao tany Harare Zimbabwe. Samy tsy nisy tafavoaka vondrona ny sokajy lahy sy vavy. Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, nandritra ny fifaninanana « Cosafa School U-15 », taranja baolina kitra, izay natao tany Harare Zimbabwe, ny 15-16 […]