Araka ny efa nampahafantarina tamin’ny fiandohan’ny taom-pikatrohana, hisy ny ady goavana “Grand combat de défi”, taranja kick-boxing. Fifaninanana natokana ho an’ny Malagasy mpikatroka manerana ny Nosy, karakarain’ny Federasiona malagasin’ny kick-Boxing. Ny K-1 Rules no hifaninanana mandritra izany. Amin’ny maha ady goavana azy, handray anjara daholo ireo mpikatroka mandrafitra ny ekipa […]
Fanatajahantena
Kitra – Mondial 2026: tsy nahazo ny fankatoavan’ny Caf ny kianja Barea
Nesorin’ny Kaonfederasiona Afrikaninan’ny baolina kitra (Caf) tsy ho anisan’ireo kianja mandray lalao iraisam-pirenena ny kianja Barea Mahamasina. Tsy hatao eto Madagasikara ny fihaonan’ny Barea amin’i Comores sy i Mali. Tsy afaka handray ireo lalao roa hihaonan’i Madagasikara amin’i Comores sy i Mali, amin’ny volana jona ho avy izao ny kianja […]
Atletisma – «Afrique 2024»: hofantenana izay ho any Cameroun
Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’Alarobia, ny fifantenana izay hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma sokajy «sénior», lahy sy vavy. Fihaonana hotanterahina any Douala Cameroun, ny 15 – 25 jona ho avy izao. Araka ny tapaka teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), […]
SOMBIM-BAOVAO
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny LMA Ampefiloha, ny fifaninanana “All Step” natokana ho an’ny Lycée, karakarain’ny ligin’ Analamanga, taranja basikety. Nitohy ihany koa ny lalao nihaonan’ny LMA sy ny SFXA, vehivavy, ary ny LMA sy ny LAA, lehilahy. Miatrika fiofanana sy fanazaran-tena matihanina any Budapest, amin’izao fotoana, ny […]
LALAO iraisam-pirenena : miandry ny minisitera ny atleta
Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny lalao olympika amin’izao ny atleta malagasy voakasik’izany. Misy ireo mbola mila miatrika fifaninanana iraisam-pirenena maromaro vao afaka hahazo ny tapakila ho amin’izany. Ho an’ny taranja Judo manokana, handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny 24 avrily izao, ireo judokas malagasy, anisan’ izany, Rasoanaivo […]





