Fanatajahantena

Kitra – “Orange Pro League 2022”: rava tsy lera ny lalaon’ny Ajesaia sy ny TFFC

Tsy tontosa hatramin’ny farany ny lalaon’ny Ajesaia Bongolava sy ny Tsaraman­droso Formation Boeny (TFFC). Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambo­hi­dra­trimo, omaly alahady ary tafiditra amin’ny andro fahatelo, ho an’ny kaonferansy avaratra. Niato teo amin’ny minitra faha-87, noho ny fifandonan’i Feno, mpilalaon’i Bongolava sy ny mpiandry tsatobin’ny TFFC, ka nahatonga ny fifampikasihan-tanana, […]

Bodybulding-Tompondaka eran-tany: hiakatra an-tsehatra rahampitso ny Malagasy

Bokona hozatra malagasy 5 mianadahy no nihazo an’i Thailande hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Bodybulding. Vonona tanteraka izy ireo hiambozona medaly. Hanomboka rahampitso any Thailande ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja body­bulding. Manana solontena 5 mianadahy ny Malagasy, ahitana an-dRandrianari­manana John Mario (Bigman), Marinjara Maurice, Andria­tsilavina […]

Basikety-Africa Cup 3×3 : vonona hibata amboara ny ekipa malagasy

Hanomboka anio, any Le Caire Egypta, ny fifaninanana “Africa Cup 3×3”, karakarain’ny Fiba Afrika ary hitohy rahampitso. Vonona tanteraka ny ekipa Ankoay lahy sy vavy, mbola nitohy hartramin’ny omaly ny fanazaran-tena na­taon’izy ireo niaraka tamin’ ireo mpanazatra. Ho an’ny sokajy lehilahy, ao amin’ny vondrona no misy an’i Madagasikara ka hifanandrina […]

Karate-Tompondakan’i Afrika: nahazo medaly alimo roa i Madagasikara

Niditra an-tsehatra, nanomboka omaly ny atleta malagasy miatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika any Durban. Medaly alimo miisa roa no efa norombahin’izy ireo. Mioty vokatra sahady ireo solontena ma­lagasy any Durban, andro voalohan’ny fifaninanana, na nisy aza ny fikorontanana teo amin’ny delegasiona malagasy. Medaly alimo roa sahady no norombahin’i […]