Fanatajahantena

Kitra – «Telma Coupe» : fantatra ireo ekipa hanao ny manasa-dalana

Fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny manasa-dalan’ny” Telma Coupe de Madagascar”. Nafana tanteraka ny lalao ampahefa-dalana. Nifarana ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Telma Coupe de Madagascar 2023». Ny ekipan’ny As Fa­na­la­manga avy any Atsinanana sy ny CFFA […]

JJB-Randresiarivony Anjaratiana : hitohy amin’ny faran’ny volana janoary ny fizarana

Fahombiazana ny fifampizarana noentin-dRandresiari­vony Anjaratiana, nandritra ny “Open Mat”, nataony teny amin’ ny Dojo Esca, ny alakamisy lasa teo. Tonga maro ireo Malagasy mpikatroka naka traikefa taminy, nandritra ny ora roa. Tafakatra 100 mahery ny mpikatroka namaly ny an­tsony, izay tena nahafaly azy tokoa. Nisy ireo vao manomboka manao Jiu-jitsu, […]

Badminton – “Mada 2024” : hiaro ny voninahiny i Thierry sy i Stephania

Hotontosaina anio sy rahampitso, etsy amin’ny kianja mitafo ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton. Hiaka-tsehatra amin’izany ny sokajy «sénior», lahy sy vavy. Hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelatanany amin’ity, i Thierry avy amin’ny ST Jo Mahamasina sy i Stephania avy amin’ny MB2 All. Hahatratra 10 ireo klioba […]

«Telma Coupe 2023»: hanalavela amin’ny Fosa Junior ny CFFA

Hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Klioba miisa valo ao amin’ny « PFL » no hifanintsana amin’izany. Tonga ity ny fotoana, hiatrehan’ny mpankafy baolina kitra indray ny am­pa­hefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara «Tel­ma Coupe 2023». Anisan’ ny fihaonana tena andrasan’ ny maro […]

Baolina kitra : nifindra ao amin’ny St Pauloise FC i Tsiry

Lasa mpilalao milaravinahitra any amin’ny Nosy rahavavy La Réunion, Randria­tsiferana Tokinantenaina Oli­vier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny vaovao voaray omaly, ao amin’ny klioba Saint Pauloise FC izy no hilalao. Marihina fa hiaraka amin’i Rojo be, Malagasy hirakiraka, izany i Tsiry kely. Efa niaraka nilalao tao […]