Fanatajahantena

Fibatana fonjamby: tsy tao anaty filaharana Andriatsitohaina Tojo

Taorian-dRandafiarison Rosina, anjaran’Andriatsitohaina Tojo indray no niditra an-tsehatra, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja fibatana fonjamby. Fifaninanana natao tany Thaïlande, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny vokatra voaray, tsy tao anaty filaharana na “non classé” i An­dria­tsitohaina Tojo. Mala­ga­sy mpibata fonjamby, sokajy latsaky ny 73 kg. Araka […]

Baolina kitra Mahatafita : manao andrana any Maroc Ratiandrainy Nicolas

Niainga teto an-tanindrazana, ny alahady 31 marsa lasa teo, hihazo an’i Maroc, Ratiandrainy Nicolas, Mala­gasy mpilalao baolina kitra. Manao andrana ao amin’ny klioba RS Berkane Maroc ny tenany, mandritra ny telo volana. Raha afapo aminy ity ekipa maraokanina ity, hisitraka ny fifanarahana matihanina voalohany ho azy izy. Tsiahivina fa tamin’ilay […]

Federasion’ny taekwondo : hatao ny 16 avrily ny fifidianana filoha

Ho fantatra amin’ny 16 avrily ho avy izao, eny Ivandry, ny anaran’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja taekwondo. Kandidà iray no fantatra fa hirotsaka ho kandidà amin’izany fifidianana izany. Hotanterahina eny amin’ ny biraon’ny Komity olympika malagasy (Com) Ivandry, ny talata 16 avrily ho avy izao, ny fifidianana izay ho filohan’ny […]

Badminton : nanjakan’ny MB2 All ny fifaninanana

Ho fanomanana ny taom-pilalaovana 2024 sady hanomezana fanazarantena ireo mpilalao badminton, nikarakara “Open”, ny klioba MB2 All. Fihaonana notanterahina ny alatsinain’ny Paka lasa teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha. Nanjakan’ny mpikarakara ny fifaninanana tamin’ity. Lasan’izy ireo avokoa ny fandresena 4 tamin’ireo sokajy 6 niadiana. Anisan’izany ny ni­batan-dRazafimandimby To­kini­rina ny […]