Tsy niakatra “podium”, ny solontena malagasy, Randafiarison Rosina, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja fibatana fonjamby, atao any Thaïlande. Laharana faha-16 izy rehefa nahavita nibata 172 kilao teo amin’ny “Total Olympique” (77kg arraché, 95kg épaulé jeté). Tontosa, ny talata 2 avrily lasa teo ny fiofanana “Young Coach”, tany Taolagnaro, […]
Fanatajahantena
Rugby sokajy vehivavy : hanomboka ny fifaninanam-pirenena
Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny alahady 7 avrily ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifaninanam-pirenena ho an’ny rugby sokajy D1 vehivavy. Lalao ho an’olona 15 io ho tanterahina io. Araka izany, takin’ny Malagasy Rugby ny hanavaozan’ny mpilalao rehetra handray anjara amin’izany ny kara-pilalaovany. Tafiditra ao […]
Lomano-Mada 25m : fahombiazana tanteraka no azon-dRabejaona Holy Antsa
Malagasy mpilomano tsy zovina amin’ny maro, Rabejaona Holy Antsa. Nisongadina tanteraka izy, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, 25 metatra, natao farany teo. Fahombiazana tanteraka no azon-dRabejaona Holy Antsa, nandritra ity fifaninanana natao teny amin’ny dobo filomanosana Antanimena ity, ny faran’ny herinandro. Fandresena 100 isan-jato no azony satria, […]
SOMBIM-BAOVAO
Nahazo ny fandresena tamin’ny “Motocross Grand Prix 501” indray, i Claudio Tida, Malagasy mpilalao Motocross, ny alahadin’ny paka lasa teo. Fifaninanana natao tany Datsara Village Toamasina. Tsiahivina fa mbola mitarika vonjimaika, laharana voalohany, amin’ity fifanintsanana ity i Mathias Plantive, nahazo fandresena telo tamin’ireo dingana dimy efa vita. Nifarana ny 29 […]
Tsipy kanetibe: hanomboka ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara
Hotanterahina eny amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny 5 hatramin’ny 7 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ny sokajy “seniors”, lehilahy, lalaovin’olona telo, araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM). Homena 750 000 Ar izay […]





