Fanatajahantena

Karate : mpikatroka 30 mivon­drona etsy Ampefiloha

Taorian’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara farany teo sy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Dur­ban, ma­natanteraka fampivondronana etsy amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro Ampe­fi­loha, ny Fe­derasiona ny Ka­ratedo Ma­lagasy. Mpika­troka 30 mianadahy avy amin’ny ligy ma­nerana ny Nosy no ma­­naraka ny fampivondronana mandritra efatra andro, na­nomboka omaly […]

Kitra – «Orange Pro League» : resin’ny Uscafoot ny ASA Diana

Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa tery, 3 no ho 2, ny Uscafoot nanoloana ny ASA Diana. Ambin-dalao tsy tontosa, ho an’ny kaonferansy avaratra, izay tafiditra amin’ny andro fahaefatra, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Oran­ge Pro League”. Fihaonana, notanterahina omaly alakamisy, tetsy amin’ny kianjan’ Alarobia. Niady […]

Lomano : Niova ho « Word Aquatics » ny FINA

Notanterahina, omaly, tany Aostralia ny kongresy teo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena ny taranja lomano, natrehan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny lomano, Jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Tapaka nandritra ity kongresy ity fa miova ho “Word Aquatics” ny anaran’ny FINA (Fédé­ration Internationale de Na­tation), manomboka amin’ny taom-pikatrohana ho avy. Firenena 175 amin’ireo 185 tonga nanatrika […]

Karate Malagasy : nosazian’ny UFAK avokoa ireo Federasiona roa

Nilatsaka ny sazy ho an’i Madagasikara ! “Tsy afaka mandray anjara amin’ireo hetsika rehetra, karakarain’ny UFAK, ireo federasiona roa eto amintsika”, ho an’ny ta­ranja karate. Io no sazy navoakan’ny «Union des Fédé­ra­tions Africaines de Karaté», tamin’ny alatsinainy 12 desambra lasa teo. Ankilany, tsy iharan’izany ireo karatékas, fa mahazo mandray anjara amin’ireo […]

Lomano – Tompondaka eran-tany 25m : nanamontsana « record national » i Jonathan

Niditra an-tsehatra, omaly, teo amin’ny fifaninanana 100 m brasse, ny mpilomano malagasy, Raharvel Harivony Jonathan, tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ho an’ny dobo filomanosana 25 m, taranja lomano, hatao any Aostralia. 1.01.08 no nahavitan’i Raharvel Ha­rivony Jonathan, ny fifaninanana 100m brasse, tany amin’ny dobo filomanosana Mel­bourne Aostralia, io « record […]