Fanatajahantena

Lalao Afrikanina : medaly volafotsy ho an’ny Makis Ladies

Nifarana omaly ny fifaninanana taranja rugby lalao­vin’ olona fito, sokajy vehivavy, amin’ity Lalao Afrikanina andiany faha-13, atao any Accra renivohitr’i Ghana, ity. Nandrom­baka ny medaly volafotsy ny Makis Ladies. Raha hiverenana kely ny fihaonana rehetra nataon’ny Makis tamin’ity fifanintsanana ity, lavon’izy ireo tamin’ny isa, 20 no ho 5 i Nigeria, […]

Madagasikara sy Burundi : “Matoky ireo mpilalao aho”, hoy ny Coach Rôrô

Tonga ny fotoana ho an’ireo Malagasy mpankafy baolina kitra, hijerena indray ny Barea de Madagascar hiakatra kianja. Hihaona amin’i Burundi izy ireo, anio, etsy Mahamasina. “Matoky ireo Malaga­sy mpilalao 25 mandrafitra ny Barea aho”, hoy Rakoton­drabe Romuald Félix na ny Coach Rôrô, mpanazatra ny Barea, omaly, teny Ivandry, nandritra ny valandresaka niarahana tamin’ny […]

Karate : Raikitra ny “Samy Jao” andiany faha-18

Raikitra indray ny fifaninanana « Samy Jao » “Challenge du Boeny”, taranja karate, tanterahina isan-taona. Fifanina­nana eo ambany fiahian’ny federasion’ny karate-do mala­gasy. Ny 30 sy 31 marsa izao no hanatontosana izany, ao amin’ny Complexe Sportif Am­pisikina, Mahajanga. Hisy ny fiofanana hatokana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ny 29 marsa, mialoha […]

Beach soccer sy Futsal: hisy fifaninanam-pirenena hifantenana ny Barea

Hofohazina eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) indray ny kaomisiona beach soccer sy ny futsal, rehefa tsy nihetsika nandritra ny taona vitsy. Anisan’ireo homena se­hatra amin’ny fifaninanam-pirenena ny taranja beach soccer sy ny futsal, eto Madagasikara. Io no nambaran’i Pontiac Theopahn, filohan’ny komisiona, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, […]