Miandrandra mafy ny hanarahana mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny lalaon’ny CAN, ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Mbola tsy nisy anefa fanambarana ofisialy ny mety hahazoana mandefa izany. Folo andro katroka mialohan’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, “CAN 2024”, taranja baolina kitra, anio. Fifaninanana tanterahina any Côte […]
Fanatajahantena
Grand Tournoi d’Antananarivo : hanomboka amin’ny alahady ny manasa-dalana
Heverina ny fifaninanana baolina kitra eto Antananarivo afaka efatr’andro. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny lalao manasa-dalan’ny fifanintsanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”. Ny ekipan’ny Elgeco Plus “OPL” hihaona amin’ ny US Pro Analamanga ary ny Ajesaia “OPL” hifanandrina amin’ny Disciples FC “OPL”. Anisan’ireo lalao […]
Romain metanire : niala tao amin’ny RFC Seraing
Nanaitra ny mpitia baolina kitra ny nandre fa niala tao amin’ny RFC Seraing Belgique, ilay mpilalao baolina kitra malagasy sady vodilaharan’ny Barea de Madagascar, i Romain Metanire. Ny alatsinainy 1 janoary lasa teo, nangataka ny tenany ny hampitsaharana ny fifanarahana amin’ity ekipa ity. Nambarany fa tsy mety aminy ilay manalavitra […]
Hazakazaka am-bisikileta: mila fitsaboana fa marary ilay taranja
Misy ny federasiona malagasin’ny bisikileta. Tsy mbola mitondra vokatra ho an’i Madagasikara anefa izany. Maro ny antony ka mila fitsaboana ilay taranja. Anisan’ny taranja tsy heno firy intsony ny lazany eto Madagasikara, ny hazakazaka am-bisikileta. Raha tsiahivina, tany amin’ny taona 80 sy 90 tany no tena nampanakoako azy. Tena nampalaza […]
Federasion’ny baolina kitra : andrasana ilay fikaonandoha nolazain’ny filoha
Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), Andriamanampisoa Alfred, ny fanatontosana ilay fikaonandoham-pirenena. Miandry izany ireo mpisehatra amin’ity taranja anisan’ny mankararirary ny Malagasy ity. Mandritra izay no hihainoana ny hetahetan’ny mpilalao sy ny mpanazatra. Vanim-potoana handraisana ny olana isan-tokony, mampikatso ny ligim-paritra sasany. Dinihina […]




