Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fampianarana dihy noentin’ireo vahiny roa vavy teto Madagasikara. Nahaliana ny Malagasy tonga teny Mahamasina izany. Talanjona ihany koa izy ireo amin’ny talentan’ny Malagasy mpandihy. Tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina no nanaovana ity fampiofanana dihy an-dRenivohitra «Perfect Your Dance» ity. I Axelle sy […]
Fanatajahantena
Kianjaben’i Mahamasina : «Ratsy ny bozaka», hoy i Rayan
Iray andro, taorian’ny nahavitan’ny lalaon’ny Barea sy i Rwanda ny alatsinainy lasa teo, nanao fanambarana tao amn’ny tambanjotra serasera i Rayan Raveloson kapitenin’ny Barea de Madagascar. Naneho ny alahelony ny amin’ny kalitaon’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny tenany. “Ratsy ny bozaka ary tsy ahafahana mamoaka ny tena fahaizan’ny mpilalao malagasy”, hoy […]
Antafana Toamasina : hamerina ny lazan’ny baolina kitran’Antsinanana
Hofohazina indray ny Antafana, sekolin’ny baolina kitra eto Toamasina. Anton’izany ny hamerenana ny lazan’ity taranja mpanjakan’ny fanatanjahantena ity. Tsy henoheno intsony ny sekolin’ny baolina kitra Antafana Toamasina (Andry Tanora Fanantenana Atsinanana). Nanapa-kevitra, araka izany, ny Me Lalatiana, filoha mpitantana fa hamerina sy hampihodina indray ny ivontoeram-piofanana sy fampianarana baolina kitra […]
“Forum national Mini-Basket” : ligim-paritra 17 nahatonga solontena
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 25 marsa, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny andiany faharoa amin’ny “Forum national Mini-Basket”. 133 ny isan’ny mpandray anjara hiatrika izany, izay avy amin’ny ligim-paritra 17 manerana ny Nosy. Mandritra ny roa andro no hanatanterahana ity “Forum” ity, hiarahana amin’ny komisiona Mini-Basket eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny […]
Ping-pong: mizara traikefa i Sakamoto
Mandritra izao fialantsasatry ny mpianatra izao, misy ny fampivondronana ireo mpilalao ping-pong latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy, eto Analamanga. Nanomboka omaly, teny amin’ny Capsat Soanierana izany, ka mizara ny traikefany amin’ireo kilonga ilay japoney, i Takuya Sakamoto. Mahatratra 35 mianadahy, avy amin’ny klioba 11 eto Analamanga, ireo manaraka […]





