Ao anatin’ny fametrahana ny fandaharam-potoana amin’ny fiatrehana lalao fihantsiana sady hitsapana ireo mpilalaon’ny Barea ny mpanazatra sy ny federasiona amin’izao fotoana. Fantatra àry fa firenena efatra mangataka ny hidona amin’ny Malagasy. 1 volana sy tapany, mialoha ny hahatongavan’ny datin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA), efa eo am-panatontosana fifanarahana amin’ny hanatontosana […]
Fanatajahantena
Rally Dakar: ratsy vintana i Sebastien Loeb
Sendra ny vitan-dratsy ilay frantsay, i Sebastien Loeb, sy i Fabian Lurquin, mpanamory mpanampy azy, teo amin’ny sokajy fiara amin’ny Rally Dakar. Ny sabotsy lasa teo, indroa vaky ny kodiaran’ny fiara nentin-dry zalahy tao anatin’ny fanatanterahana ny dingana voalohany mampitohy an’i Al-Ula sy Al-Henakiyah, mirefy 414 km, tao Arabie Saoudite. […]
“Can 2024”: Fantaro ireo fandaharan-dalao rehetra
Sabotsy 13 janoary Kianja Alassane Ouattara d’Ebimpé 11 : 00 alina – Côte d’Ivoire vs Guinée Bissau Alahady 14 janoary Kianja Alassane Ouattara d’Ebimpé 05 : 00 – Nigeria vs Guinée Equatoriale Kianja Felix Houphouet Boigny 08 : 00 – Egypte vs Mozambique 11 : 00 – Ghana vs Cap-Vert […]
Daka an-jorony: mitombo ny vola, mitombo ny fahavitrihana
Araka ny vaovao fampahafantarana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), nampitomboina ny vola ho azon’ny ekipa mpandresy amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra “CAN 2024”, ity. Mba hisian’ny fahavitrihana eo amin’ireo mpandray anjara ny anton’izany. Zava-dehibe tokoa izany satria tsy very maina ny […]
Atletisma – «Cross country»: hisy fifaninanana hifantenana izay ho any Croatie
Hiditra an-tsehatra ireo kalazalahy manerana an’i Madagasikara, amin’ny taranja «cross country», ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hiady ny tapakila hiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Croatie. Araka ny fantatra, hotanterahina amin’ny sabotsy 13 janoary ho avy izao, eny amin’ny Bout de Piste Ivato, ny hazakazaka «Cross country», karakarain’ny […]




