Fanatajahantena

Lalao ara-pirahalahiana : nanomboka omaly ny fanazaran-tenan’ny Barea

Nanatanteraka fanazaran-tena tetsy amin’ny kianja «synthetique» Mahamasina, ny Barea de Madagascar, omaly. Efa tazana nanoman-tena niaraka tamin’ireo namany ny kapiteny, Raveloson Rayan. Toraka izany ny mpilalao mila ravinahitra any La Réunion, toa an-dry Berajo, Rojo Be, Ando Pro, Baggio. Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra […]

Triathlon : nanao pao-droa i Fitia Vanilla

Nisongadina ny zava-bitan’i Malalanirina Fitia, teo amin’ny fifaninanana Triathlon, notanterahina tany Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Fifaninanana nokarakarain’ny ECTA avy ao an-toerna. Nanao pao-droa ny tovovavy tamin’izany. Anisan’ny nahazoany fandresena ny teo amin’ny triathlon standard. 4 ora 44 mn 59 s ny fe-potoana azony, tamin’ny fanatontosana ireo taranja telo: ny […]

Lalao afrikanina: hiditra an-tsehatra, anio, ny Makis Ladies

Anjaran’ny Makis Ladies no miakatra kianja amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana. Hanomboka anio ny fifanintsanana ho azy ireo. Tsy misy afa-tsy firenena dimy ny hiady medaly volamena. Hanomboka, anio, ny fifanintsanana ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy vehivavy eo amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Tsy misy […]

Petanky Be Analamanga: lasan’ny fokontany Ambohitsoa ny Scooter

Fahombiazana ny Petanky Be Analamanga, nokaraka­rain’ny ligy, notanterahina ny sabotsy sy alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ivato. Fihaonana nifanandrinan’ireo fokontany eto an-dRenivo­hitra. Voalohany ny fokontany Ambohitsoa, nisy an’i Jean-Chrysostome sy Solotiana ary i Jimmy. Lasan-dry zalahy ny moto scooter sy ny solosaina ho an’ny fokontany ary finday avy amin’ny […]

Hanatsarana ny volley-ball : hifandinika ireo teknisiana

Mitohy hatrany ny fitadiavana vahaolana sy paikady hana­tsarana ny taranja volley-ball, ataon’ny federasiona malagasy. Taorian’ny jery todika natao mahakasika ny fandraisan’i Mada­gasikara ny “CCZone7” farany teo, hisy ny fampihaonana ireo Malagasy teknisiana. Andro iray atokana ho an’ny mpitan­tana, mpanazatra, mpikatroka, hifandinihana izay tokony ha­na­tsarana ity taranja ity. Ny sabotsy 23 […]