Fanatajahantena

“Ping-pong”: loha-lisitra ny mpilalao eto an-toerana

Hotanterahina ny volana marsa ho avy izao, any Ghana, ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain”. Ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, taranja tenisy ambony latabatra “ping-pong”, hisolo-tena an’i Madagasikara ny mpilalao avy eto an-toerana. Efa vita ny fifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena. Notontosaina nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara natao tany […]

Fanatanjahantena: fifaninanana lehibe 10 ho an’ny taona 2024

Hanan-karena fifaninanana iraisam-pirenena ny taona 2024. Ankoatra ny any Frantsa, izay ho foiben’ireo lalao goavana rehetra, hisy fihaonana koa aty amin’ny kaontinanta Afrikanina. Miisa 10 ireo fihaonana iraisam-pirenena hanamarika ny taona 2024. Hisongadina ny “lalao Olympika (JO 2024)”, tanterahina any Frantsa, ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra, ho avy izao. […]

Ping-pong – Mada 2023: tompondaka Rakotoarisoa Riva, avy eto Analamanga

Ilay mpilalaon’Analamanga, Rakotoarisoa Riva, no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taona 2023. Anisan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy, izay miatrika ny  “Jeux Africain”, any Ghana, ny tenany.  Nifarana omaly, tany Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra “ping-pong”, taom-pilalaovana 2022-2023. Norombahan-dRakotoarisoa Riva, mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga […]

“Pré-qualification Afrobasket 2025”: voaantso hanatevin-daharana i M’Madi sy i Kiady

Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny “pré-qualification Afrobasket 2025”, Senior lehilahy, hatao eto Madagasikara, ny 15 hatramin’ny 19 janoary izao. Nisongadina ao anatin’izany lisitra izany ny fahitana ny anaran’i M’Madi Mathias, Malagasy  mpilalao milaravinahitra any Etazonia sy Razanamahenina Kiady, milaravinahitra any Frantsa. Mpilalao samy nisongadina […]

Kitra – «Can 2023»: Samy manana ny fomba fiomanany ireo firenena 24

J-15 mialoha ny hanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny baolina kitra hifanandrinan’ireo firenena ny rehetra (Can 2023). Fihaonana hotanterahina any Côte d’Ivoire, ny 13 janoary ho avy izao. 24 ireo firenena hiady ho lohany amin’ity. Maro amin’izy ireo ny nisafidy hanomantena any ivelan’ny firenena misy azy. Anisan’izany i […]